Socio-eco

DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga


Nahazo fampitaovana avy amin’ny faritra Analamanga ireo kaominina 15 ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Noho ny fangatahan’ireo kaominina ireo fa misy foto-drafitrasa tsy maintsy vonjena maika amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia nanolo-tanana azy ireo ny faritra Analamanga. Ny 30 novambra 2018 teo ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndranto Rakotonanahary no niroso tamin’ny fanolorana ny fanampiana. « Simenitra 10 taonina no natolotra androany ary manana vina hizara simenitra 10 taona isaky ny distrika eto amin’ny faritra Analamanga izahay. Mbola ho avy ihany koa famatsiana vy sy tafo”, hoy ny lehiben’ny faritra Ndranto Rakotonanahary.

Nambaran’ny ben’ny tanana ny kaominina Antsahafilo, Raymond Randrianasolo fa entina hanampiana ny fitaovana hanamboarana ny tohan-drano izay efa simba tanteraka ao amin’ny kaominina io tolo-tanana avy any amin’ny faritra io. Araka ny fanazavan’i Ndranto Rakotonanahary fa fomba fanaon’ny faritra Analamanga ny manome fampitaovana ny kaominina ao anatin’ny distrika 13 mandrafitra ny faritra.

Lynda A.


One comment on “DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga

  1. Pingback: DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *