politique

DIDIER RATSIRAKA : Tsy niloa-bava


Feno 42 taona ny antoko Arema. Nankalazaina ny 24 martsa 2018 ny fitsingerenan’ny taona niforonany ny antoko izay tarihin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka . Nanatrika ny lanonana fankalazana teny amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ity filoha mpanorina ny antoko Arema ity. Vao nanomboka ny lahateniny izy dia nilaza fa tsy te hiresaka ny toe-draharaham-pirenena izay mafana ankehitriny. “Mbola ho avy ny fotoana hitenenako. Tsy te hampirehitra ny afo aho”, hoy izy. Nilaza kosa anefa izy fa raha te hampandroso ny firenena dia mila fifanomezan-tanana sy fampihavanam-pirenena. “Azo atao tsara ny mampandroso ny firenena haingana dia haingana raha izany no tanteraka”.
Naneho ny fahafaham-pony ihany koa ny filoha mpanorina ny antoko Arema nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-42 taonan’ny antoko. Nilaza izy fa afa-po satria mbola manara-dia azy hatramin’izao ireo mpkatroka nobeaziny. “Afa-po aho satria mbola tonga manatrika izao lanonana izao ireo mpianatra nobeaziko”.
Raha ny kabarin’ny sekretera nasionalin’ny antoko, miadidy ny faritra Antananarivo, Ange Randrianarisoa, nandritra ny lanonana tsikaritra fa tsy mankasitraka ny firosoana amin’ny fifidianana amin’ity tano ity ny antoko Arema. “Tsy azo hihazakazahana ny fifidianana. Fiaraha-midinika no tokony atao mialohan’ny hanaovana fifidianana mba ho fifidianana malalaka tsy misy teritery”, hoy i Ange Randrianarisoa.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *