Mbola naverin’ny solombavambahoaka zokiolona indrindra tamin’ny fivoriana manokana natao teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly 16 jolay 2019 fa mila averina amin’ny laoniny ny hasin’ny Antenimierampirenena. Nambaran’ny solombavambahoaka Razanamahasoa Christine fa nihena izay tsy izy ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ka manana adidy hanarina ny lesoka, tsy manao ny fanaon’ny teo aloha ny solombavambahoaka vaovao. Raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny dia miankina amin’ny fitondran-tenan’ny tsirairay  voalohany indrindra no fomba hamerenana ny hasin’ity andrim-panjakana mpanao lalà na, mpanara-maso ny governemanta ity. Nilaza ny depiote Rakotoarisoa Johnny fa tsy misy afa-tsy ny tsy fandavana kolikoly, tsy sandaina vola vao handany na tsia ny volavolan-dalà na ary tsy ho mpanangan-tanana fahatany no hamerina indray ny fahatokisan’ny vahoaka. Mora ny miteny fa ny asa vita ihany no hifampitsarà na.
Lynda A.
Pingback: DEPIOTE RAKOTOARISOA JOHNNY: Ny hamerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena - ewa.mg