Socio-eco

DELESTAZY: Vokatry ny korontana politika.


Anterivava : Hery RAJAONARIMAMPIANINA

“Vokatry ny tsy fahaizan’ny fitondrana nifandimby teo aloha sy ny korontana politika no nahatonga ny fahatapahan-jiro lavareny ankehitriny”, hoy ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Nambarany am-pahibemaso tamin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona teny Iavoloha fa niatraika tamin’ny sehatry ny angovo ny resaka politika sy ny fitantanana. Ankehitriny, tsy tapaka manentsina ny trosan’ny JIRAMA ny fanjakana. “Manome vola 300 miliara Ariary isan-taona ho an’ity orinasa ity ny fitondram-panjakana. Ny 14%-n’ny vahoaka Malagasy ihany anefa no mbola misitraka herinaratra sy rano fisotro madio”. Nambarany fa hisy ny politika hanafoanana ny delestazy. Ny fanampiana ny tohan-drano sy fampiasana ny angovo azo havaozina no vahaolana natolony.

Ankoatra izany, ho hentitra ny fanarahamaso ny fampiasana ny volam-panjakana.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *