Mahoraka

COURS ACEEM 30 TAONA : Tsy niova Ratrema William


Tsy niova ny Profesora Ratrema William fa dia mbola manohy soamantsara mijoro amy maha mpanabe azy. Tsy miova toa izany koa ny bika aman’endrika nahafantarana azy hatramin’ny ela. Tsy manana ny sariny tany amy 30 taona lasa izahay, kanefa inoana fa ankoatra ny volofotsy manambara ny maha raiamandreny be, dia mora fantariny amin’ny endrika nahalalana azy ihany ny lehilahy.

Anterivava nataon’ny Délire Madagascar an’ity mpanabe fanta-daza ity. Ny Profesora Ratrema William, Filoha mpamorina ny ACEEM

Délire Madagascar (DM): Pr Ratrema mankalaza ny faha 30 taona ny ACEEM, teny momba izany tompoko?

Ratrema William (RW): ”Misaotra an’Andriamanitra isika nahavita izay 30 taona izay. 30 taona nilofosana nanatsarana ny fomba fampianarana, nanatsarana ny fomba fitaizana famolavolana toetsaina, nanatsarana ihany koa ny fotodrafitrasa izay tratry ny herin’ny ACEEM, fananganana sekoly manaraka ny fenitra amy maha sekoly azy fa tsy trano fonenana navadika ho sekoly akory, dia izay izany no heveriko hoe be dia be ny ezaka natao. Kanefa am-panetrentena koa no hilazana fa bitika anie izany raha mitahy amy ny filàna eo amy sehatry ny fanabeazana eo amy firenentsika.”

DM: Nandritra izay 30 taona izay Profesora, nifameno ve sa nifamono ny fisian’ny ACEEM sy ireo fampianarana nentim-paharazana dia ny an’ny Fanjakana izany?

RW: “Mifameno ireo kah! Io sahala amin’ny hoe izay tsy mahay sobika mahay fatrambary. Dia samy mba manao izay tandrify azy. Dia ny ACEEM moa raha ny tena marina koa anie ny tompon’andraikitra ao dia mpampianatry ny Fanjakana ihany é. Koa izay lesoka hitany tany dia ezahiny harenina aty amy ny ACEEM.”

DM: Manao ahoana tompoko ny taham-pahafahana ao amy ny ACEEM amy ny ankapobeny?

RW: “Izy io izany dia tsara amy ny ankapobeny. Fa sarotra ny hanome tarehimarika satria misy isan-karazany koa ilay sekoly ao. Misy izao ireo manaraka fanampim-pampianarana fotsiny. Misy ny sekoly, fa amin’ireo sekoly izany tsara ny vokatra. Amy ny G2 izao misy fotoana izahay nahatratra tany amy 97% tany ny taham-pahafahana. Ny Bacc A eo amy ny 60%, 80%, miovaova io izany é. Arakaraka ny taona, kanefa miezaka izahay mba ho ambony foana ilay taham-pahombiazana hahatsara ny salan’isa amy ny ankapobeny eto amy firenena.”

DM: Inona no vina amy 30 taona manaraka tompoko?

RW: “Ny 30 taona manaraka: fivelarana amy ny any ivelany, hanatsarana ny fotodrafitrasa eo am-pelatanana ihany koa, hanatsarana hatrany ny fomba fampianarana.”

Nanangona Razaka Oliva


One comment on “COURS ACEEM 30 TAONA : Tsy niova Ratrema William

  1. Safandr

    Accem, anisany nianatra tao @ cours ny tenanay t@ 2003. Mbola tsy naita fampianarana mahomby hotran tao aho.
    Mlay eh zay no azoko ilazana azy. Misy prof tutulaire eny Ankatso napianatra tao. Proff physique tamin’izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *