Sport

Cnaps sport (Football) : Ny fitsipika mifehy no ahazoana vokatra


Anisan’ny ekipa iray manana ny toerany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy ny ekipan’ny Cnaps sport avy any amin’ny ligin’ny Itasy. Tsy zoviana amintsika intsony ity ekipa ity satria miavaka amin’ny mahamatihanina azy sy ny fahazoany vokatra maro isan-karazany.

Efa ela no nisy ny ekipa

Hatramin’ny taona 1966 no efa nisy izany ekipan’ny Cnaps sport football izany. Vokatry ny fitavan’ny mpitantana ny orinasa sy ireo mpiasa izay tia sy manana ra mikoriana baolina no mampijoro ny ekipa. Tamin’iany fotoana izany dia mbola nisalotra ny anaran’ny Amicaf ny klioba (Amical Allocation Familial) izay mbola izany no anaran’ny orinasa tamin’izany fotoana izany. Fat ay amin’ny taona 1983 vao niova ho Cnaps sport ny orinasa sy ny Klioba.

Nanana mpilalao misongadina sy efa nametraka ny lazany tao amin’ny kitra sy ny ekipam-pirenena ireo mpilalao izay nandrafitra ny ekipa toa an-dry Solobe , Henry Rasolojanahary mpiandry Tsatokazo, Dolph be ary ratre izay tena nalaza tokoa tamin’izany fotoana izany.

Nisy ny fotoana somary natoritory ny ekipa tamin’ny 1998 ka hatramin’ny taona 2008. Nanomboka tamin’ny taona 2008 dia nanapa-kevitra indray ireo mpiasa sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hamelona indray ny ekipan’ny Cnaps.

Nisongadina ny vokatra

Niaraha-nahita ary fa nanomboka tamin’io taona 2008 io dia nisongadina ny vokatra ho an’ity ekipa ity satria raha ny vokatra azo dia in’efatra no tompondakan’I Madagasikara izy ireo. Nahazo indray ny amboaran’I Madagasikara ihany koa,indray nahazo ny tompondaka inter Regional ary indroa nahazo ny amboaran’ny Oseana Indiana ary mety ho fahatelo amin’ny Asabotsy ho avy io.Raha ny antony nahatonga io vokatra io dia nanamafy ny Directeur de Coach izay tsy iza fa ny Directeur des Ressources Humains ao amin’ny orinasa ihany dia ingahy Raobijaona Bruno fa noho ny fifampifehezana izay iainanay ato amin’ny orinasa izay miompana amin’ny Fifanajana, Vokatra , ary ny fitsipika no antony mahatonga izany vokatra izany. Rehefa ato aminay dia mitovy avokoa ny rehetra fa tsy misy ambony na ambany fa dia eo ambany fifehezan’ny fitsipika avokoa.

Ireo mpiandraikitra ara-tekinika izay anisan’ny fototry ny vokatra dia efa manana ny fandaharan’asany sy ny vokatra tokony ho azon’ny tsirairay isaky ny taom-pilalaovana. Rehefa misy ny tsy fahazoana izany dia samy mandray ny andraikiny tandrify azy tsy terena ny rehetra.

Matihanina ny fitantanana

Nanamafy ingahy Raobijaona fa tsy misy volan’ny orinasa miodina amin’ny fampandehanana ny ekipan’ny Cnaps sport fa vokatry ny latsakemboka izay ataon’ireo mpiasa rehetra izay tia sy mankafy ny taranja fotsiny ihany. Tsy an-tery ihany koa anefa izany fa malalaka amin’ny safidiny ny rehetra. Manana mpikambana manokana miahy ny ekipa ity klioba ity ary samy manana ny anjara andraikiny ny rehetra ary ny tena tsara dia tsy misy ny mifampitsabaka andraikitra fa malalaka amin’ny ataony ny rehetra. Na dia eo aza ny tale jeneraly dia tsy misy mihitsy ny baiko midina fa iarahana manapaka avokoa ny zavatra atao ao amin’io ekipa io. Vokatr’izany dia efa manana ny taha-bolany mandritra ny efatra taona ny ekipa noho ny fahaiza-mitantana ataon’ireo mpikambana ao.Matihanina ny mpilalao sy ny mpitantana

Miaina ny sehatra matihanina

Anisan’ny mampiavaka an’ity ekipa ity ihany koa ny maha matihanina ireo mpilalao ao aminy . Tsara karakara sy lafatra ireo mpilalao amin’ny lafiny rehetra. Vokatr’izany dia saika ny 80%n’ny mpilalaon’ny Cnaps dia mandrafitra ny Barea avokoa.Voataiza amin’ny tokony hahazoany vokatra ireo mpilalao koa izany no mampisongadina azy ireny aùmin’ny sehatra rehetra ilalaovany.

Cnaps sport sy ny sehatra afrikana

Mahakasika ny fifaninanana Afrikana dia tsy mahakivy ny vokatra azon’ny Cnaps sport tao anatin’ny telo taona nisesy izay. Amin’ity taona ity dia mikendry ny handeha lavitra ny Cnaps sport. Efa nahazo traikefa tsara sy efa matotra ireo mpilalao nandritra ny telo taona niatrehany ny sehatra afrikana izay koa fotoanany izao handehanany lavitra amin’izay. Ampy dona sy nahita karazana fifaninanana izy ireo koa inoana fa ho lasa lavitra amin’ity taona ity.

D Rakoto


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *