Rehefa nivory ny toko telo mahamasa-nahandro eny amin’ny oniversite Antananarivo dia tapa-kevitra fa hanatsahatra ny fitokonana. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mampivady ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatanjahantena
Nasiam-panovàna ny làlana hizoran’ireo atleta handray anjara amin’ny « Marathon International de Tana » (MIT) andiany faha-18. Continuer la lecture
FAHASAMBARAN’NY MPIVADY : Voavidy vola
Akora voajanahary tsy miteraka voka-dratsy 100 % hikoloana ny endrika amam-bika ny vokatra vokarin’ny HBSN (Huile de beauté et soins naturels). Continuer la lecture
PIF TIC: Manampy ny tantsaha hifehy ny teknolojia
13 ny ivon-toerana hanovozana ny loharanom-pahalalana ho an’ny olom-pirenena te handroso (PIF TIC). Vao avy notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 30 jolay 2018 lasa teo ny tranon’ny PIF TIC eto Antananarivo. Continuer la lecture
FANAMBOARAN-DALANA : Fototry ny “kidnapping” tao Tsaratanàna
Tao anatin’ny efa-bolana, nisesy lany ny “kidnapping” tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna. Araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Jaona Ratefiarivony fa trangana fakana an-kery miisa dimy no niseho. Continuer la lecture
VOKA-PIKAROHANA : Sangany ny tetikasan’ny mpianatry ny ISPM
70 % ny mpiasa ao amin’ny orinasa mikirakira ny teknolojia NUMEN sy ETECH dia mpianatra avy ao amin’ny oniversite ISPM “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar”. Continuer la lecture
RAMAMPY Zénaïde « Sazio ny olona ambony mambotry ny firenena »
« Mizara roa ny hevitry mpanao politika ankehitriny. Eo ny miteny fa atao ny fifidianana, etsy ankilany ajanony aloha fa aleo manao fanorenana ifotony. Ny lalana efa mametraka fa tsy maintsy aroso ny fifidianna ary efa misokatra androany ny fametrahana antontataratsy filatsahan-kofodina ho filoham-pirenena », hoy ny filohan’ny « Reseaux des Femmes Africaines Ministres et Parlemataires » ( REFAMP ), Marie Zénaïde LECHAT RAMAMPY. Ny fifidianana ihany no vahaolana amin’izao savorovoro izao, hoy izy. Anisan’ny foton-kevitr’ireo manohitra ny hanaovana fifidianana ny tsy fahandriam-pahalemana. Tsy hijanona mihitsy io tsy fahandriampahelamana io raha mbola misy ny tsy maty manota eto amin’ny firenena, hoy hatrany izy. « Sazio avokoa ireo olona ambony sy ireo mpiray tsikombakomba aminy izay mambotry ny firenena. Ao anatin’izany ireo mpanao asa fanondranana antsokosoko ireo harena sarobidy isan-karazany. Raha tanteraka izany matahotra ny anao asa ratsy ny mpanao izany ka hisy amin’izay ny fahandriam-pahalemana ». Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay, handroso ity firenena ity saingy tsy izay no zava-misy fa ny fitiavan-tena no manjaka hatramin’izao. Miantso ireo vehivavy maro an’isa manerana an’i Madagasikara noho izany izy hahay hisafidy ny filoha hitondra manaraka eo satria izy ireo no mahalala ny mahasoa ny fianakaviany.
Azo atao tsara ny mamongotra hatrany amin’ny fakany ny fahantrana eto amintsika raha toa ka mahay mihevitra ny vahoaka ny mpitondra fa tsy ny tombontsoan’ny tenany ihany no tadiaviny. Mahatsara ny firenena ny fisian’ny vehivavy maromaro eny anivon’ny andrim-panjakana. Raha ny anjara-toerany ao an-tokantrano, izy no mikajy ny vola rehetra ao, mahafantatra ny an-tsipiriany ny fiainan’ny ankohonany, miahy ny fahasalaman’ny zanany, ny fianarany,… Efa manavanana azy izany ka mendrika omena andraikitra eo amin’ny firenena izy ireo, hoy izy.
Nirina R.
Fampandrosoana ny faritra Atsimo: Nampiseho ny firaisankinany ny FIZAFATO
Mbola nampiana ny seza 5000 nampiasaina nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara (FIZAFATO). Continuer la lecture
Mpandraharaha avy any Dubai: Hanohana ny tetikasan’ny mpianatra
Mitohy ny fiarahamiasa eo amin’ny onversite GSI sy ny mpandraharaha ara-toekarena Ny Rado Rafalimanana. Continuer la lecture
OMS : Hamafisina ny fanaovana vakisiny
Olana amin’ny tsy fahavitan’ny vakisiny any amin’ny faritra sasany ny tsy fandriam-pahalemana. Continuer la lecture