Socio-eco

ZO SY FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA: Miantso ny fanjakana handany ny lalàna manamora ny fisitrahana izany ireo tanora nanatrika ny « dialogue mondial de la jeunesse »


Tanora miisa 500, avy amin’ny firenena 130 no nandray anjara tamin’ny dinika iraisam-pirenena momba ny tanora (dialogue mondial de la jeunesse), natao tany Cotonou Bénin, ny 4 sy 5 Aprily  2024. Nanana solontena  nanatrika izany i Madagasikara, i Ratsimba Andriamiravaka sy Ravelomahafaly Andriamihaja Guénolé.  Nikarakara ity fivoriana iraisam-pirenena  ity ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) ho fanamarihana ny faha-30 taonan’ny fivoriambe iraisam-pirenena  momba ny mponina sy ny fampandrosoana (ICPD). Nikarakara atrikasa ny UNFPA, ny 25 Aprily 2024, teny Antaninarenina ho fampahafantarana  ny tanora malagasy sy ireo mpisehatra rehetra momba ny tanora eto Madagasikara  ireo hevitra, adihevitra nivoaka nandritra ny fivoriana. Tamin’io fotoana io no nizaran’izy mianadahy, solonentan’i Madagasikara ireo tolo-kevitra nivoitra tamin’izany. Nanome tolo-kevitra  momba   ny zo,  ny fahasalamana ara-pananahana, ny fitovian-jo amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny fanabeazana, ny  fiovan’ny toetrandro ary ny filaminana ireo tanora nanatrika ny dinika iraisam-pirenena.  Tolo-kevitra  momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (DSSR), ohatra, ny  fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana mba handany  ireo lalàna manamora ny fisitrahana ny tolotra  momba ny fahasalamana ara-pananahana sy hamorona fehezan-dalàna ahafahana miady amin’ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy.  Amin’ny lafiny fanabeazana, nanolo-kevitra ireo mpandray anjara tany Cotonou  mba ho maimaim-poana  ny fanabeazana  ho an’ny tanora rehetra, indrindra any amin’ireo toerana lavitr’andriana. Mangataka ihany koa izy ireo  mba ho atao dieny any an-tsekoly  sy ivelany ny sekoly ny   fanabeazana ara-pananahana ; ovaina ny rafi-pampianarana mba ialàna amin’ny tsy fitoviana amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, eny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina ; ampidirina ao anaty fanabeazana ny resaka fahasalaman’ny saina.

Misoroka ny fanalan-jaza

Voaresaka nandritra ny fivoriana tany Bénin fa i Pays- Bas no firenena  ahitana taha ambany indrindra momba ny  fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (IVG). « Tsy maintsy  ampianarina dieny  any amin’ny sekoly ambaratonga fototra ny fanabeazana feno momba ny fananahana ara-pahasalamana. Mbola kely ny ankizy dia efa mahafantatra  ny mombamomba ny tenany, ny fahasalamana ara-pananahana, mahay mitandrina , mahay ny tokony atao sy ny tsy tokony atao ka tsy tonga amin’izany vohoka tsy niriana sy fanalan-jaza izany. Azontsika hangalana hevitra izany », hoy i Ratsimba Andriamiravaka, tomponandraikitry ny  ODAS (Organisation  pour le dialogue  pour l’avortement sécurisé) eto Madagasikara, nanazava ny antony mahatonga io taha ambany io. “Mila fiarahamiasa, mila mitambatra  isika raha te hampandroso ny fahasalamana ara-pananahana”, hoy izy. Mbola hisy ny fivoriana manaraka, hanaovana drafitr’asa nasionaly momba ireo tolo-kevitra tany amin’ny dinika ireo, raha fanazavan’i Velomahafaly Andriamihaja Guénolé, mpikambana ao amin’ny komity mpanantanteraka ny drafitra stratejika ao amin’ny Jeune Chambre International (JCI).

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *