Nanao diabe, nilanja sora-baventy tao amin’ny kaominina Fiaferana, distrikan’Avarandrano ireo vehivavy tantsaha mivondrona ao amin’ny FARM (Femmes en Action Rurale de Madagascar), faritra Analamanga, ny 24 aprily 2024. “Hamorao ny fahazoan’ny tantsaha tany”, “Tsy mankasitraka ny masomboly tsy mety amin’ny toe-taninay izahayy fa masomboly mety amin’ny toe-taninay no angatahanay”. Santionany tamin’ireo sora-baventy nolanjain’izy ireo izany. Mitaky ny fampiharana ny zon’ny tantsaha, toy ny ny fanamorana ny fahazoana tany, fanomezana tohana ho enti-mamokatra ity fikambanan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara ity. Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tolon’ny tantsaha, hankalazaina isaky ny 17 aprily no antom-pisian’izao hetsika izao. “Olana ara-tany no olana voalohany ho an’ny tantsaha. Mandeha ny fanomezana tany ho an’ny mpanambola , mahazo tany be velarana. Ny tantsaha kosa na manoratra ny taniny aza tsy vitany satria mihena ny vokatra , mihena ny vola miditra dia zara raha mahavita ny fiainana mandritra ny taona. Tsy afaka misampana hoe: handeha hikarakara ny tany any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany ny vola azo satria lafo ary mbola ela vao vita ny fikarakarana azy”, hoy i Ravoniarisoa Hantanirina Lilia, Filohan’ny FARM. Nilaza izy fa tolona manokana ho an’ny tantsaha ny hetsika tahaka izao mba ahafahan’ny tantsaha mahazo tany hambolena, ahafahantarana ny isan’ny tantsaha manerana an’i Madagasikara sy ny velarantany azo vokarina. “Tokony omena ny tantsaha malagasy aloha sy hamoraina ny fahazoana izany, izay vao zaraina amin’ny mpanam-bola. Amin’izay miara-mandroso fa lasa vesatra ho an’ny fanjakana koa anie rehefa mahantra. Amin’ny ankapobeny anefa miha mahantra ilay tantsaha vokatry tsy fananana tany, ny fihenan’ny vokatra noho ny fiovan’ny toetrandro. Noho izany, mila fanohanana tanteraka ny tantsaha na amin’ny lafiny entiny mamokatra,ny tany, ny rano”, hoy izy. Nanamafy ihany koa i Holiarisoa Tahianaharimino Rivolamalala Harinosy, mpikambana ao amin’ny FARM, faritra Analamanga fa “tsy ho tanteraka mihitsy ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha ny tantsaha aza noana, tsy manana tany hamokarana”.
Tantaran’ny tolon’ny tantsaha
Ankoatra ny diabe dia nanao famelabelaran-kevitra nampahantarana ny tohana omen’ny Tranoben’ny tantsaha sy ny fanjakana ny hetsika notanterahan’ny fikambanana. Nampahafantarina ireo mpkambana sy ireo tantsaha manodidina ny Fieferana ihany koa fa efa ela no nisy ny tolon’ny tantsaha. Ohatra amin’izany ny tolona nataon’ny tantsaha madinika tany Brésil. Nirongatra be ny fambolena kafe nataon’ny mpanjanaka dia voahilika teo amin’ny tany ny olona. Nitolona ireo tantsaha ary nisy ny maty mba ahafahana misitraka ny zony. Ho fahatsiarovana izay tolon’ny tantsaha izay ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tolon’ny tantsaha, mba hisitraka ny sahaza azy ireo tantsaha. “Amin’ny ankapobeny, tsy misitraka ny tany ny vehivavy tantsaha fa na izy mampiasa ny tanin’ny vadiny na izy mampiasa ny tanin’ny ray aman-dreniny na nomena sombin-tany kely. Izay indrindra no iadivana mafy satria ny vehivavy no tena mamelona an’izao tontolo izao, ny andro tokon’ny fiainana eny an-tsaha dia ny vehivavy no manao azy. Ny vehivavy no mbola mitantana sy mikarakara izany hahavitan-tena ara-tsakafo ao an-tokantrano. Tsara raha atosika ny vehivavy fa raha ampy ny tosika omena azy, omena fitaovana rehetra ho entina mamokatra izy dia mitomba avo 30 heny ny famokarana izay atao, araka ny fanazavan’ny FAO”, hoy hatrany ny Filohan’ny FARM nanazava ny zava-misy eto Madagasikara. Efa manerana ny faritra 10 eto Madagasikara ny FARM: Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Menabe, Matsiatra Ambony, Vatovavy , AtsimoAndrefana, ANosy, Diana sy Boeny . 9500 eo ny vehivavy mpikambana. Ho fanatsarana maharitra ny fari-piainan’ny vehivavy sy fampirobroboana ny fandraisany andraikitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny seha-pihariana no tanjon’ny fikambanana. Ao anatin’ny iraka ataony ny fiarovana ny zon’ny vehivavy, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro ary ny famokarana manaja tontolo iainana.
Ra-Nirina