Sport

Barea : Mila mpilalao mila ravinahitra betsaka


 

Efa tena ao anatin’ny heriny sy manana paik’ady tsara amin’izy izao ny Barea de Madagascar amin’ny lafiny rehetra raha ireny lalao izay nataony nandritra ny taona 2015 iny.

Raha mbola asiana fanatsarana hatrany anefa ireny dia inoana fa hisy ny ny vokatra ka mety hahita ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao CAN amin’izay isika malagasy rehetra.

Ilaina ny mpilalao mila ravinahitra

Voaporofo tamin’iny lalao iny ihany koa fa somary manana fahamatorana kokoa amina fiatrehana lalao iraisam-pirenena sy goavana ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany. Noho izany dia tsara sy tena ilaina ny fanafarana azy ireny ho tonga hiatrika sy hanampy ny Barea handeha lavitra.Raha ny lalao farany teo iny aloha dia ilaiana ihany I Dupray Jordan hanatevina ireo vodilaharana afovoany dia mba a zo alefa mankany amin’ny sisiny I Francois izay hita fa afaka manao izany andraikitra izany tsara. Ny manaraka izany koa dia mila ampiasaina ihany koa ireo mpilalao mila ravinahitra izay nitana ny Poste 10 na irakiraka mpanafika toa an’i Zotsara izay mbola tsy afaka nampiseho ny talentany hatreto teo amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Izao hevitra izao anefa tsy midika fa tsy tokony ilaina intsony ireo mpilalao milalao eto an-toerana fa afaka mifameno hatrany izy ireo, ary voaporofo tamin’ny lalao natao farany teo iny fa mahay mifanara-tsaina ireo mpilalao rehetra na avy eto an-toerana izany na avy any ivelany.

José R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *