politique

Baka : Tsy haintsika ny manala azy


Mandritra ny sivy volana eo ho eo ny tanora no manomana ny fanadinana baccalauréat rehefa tody eo amin’ny  12 taona ngarangidina  nianarana hatrany amin’ny garabola. Misy ny hambinina kokoa, na mitsambikimbikina dia ikohizan’ny mpiray monina fa mahay sy tapitr’ohatra ka na dia vao 13 taona monja àry ilay « zaza » dia hiatrika io fanadinana io. Tsara izany e ! 

Fa efa mba renao ve ohatra fa nisy tanora 19 taona monja nahavita ny fianarany ho dokotera (Bac+8) dia niasa teny amin’ireny hopitalim-bahoaka ireny? Efa nandalo ny sofinao fa nisy zazagasy vao 15 taona dia nahavita ny fanadinana nahazoany ny “maitrise” (Bac+4) teo amin’ny fitantanana? Tsy tany an-dafy izany fa teto e! Teny amin’io Anjerimanontolo eny Ankatso io. Saingy  hanana fitokisana ireo afaka Bac ve ny tenanao sarotsarotiny io? Raha manana orinasa ihany koa ianao, ary tianao ny hiroborobony sy hahombiazany dia azo antoka ve fa avelanao hotantanin’ilay “zaza” vao avy nahavita fianarana ny orinasanao?

Fa nandritra ny 59 taona izao ny firenentsika no niezaka nanala ny “baka”-ny fa mbola eto am-pototry ny baka mahay mirirana sy ny kirongo tsy azo hidirana i Madagasikara mandraka ity ny anio. Olona nandingana kilasy hatrany no ninaikanaikana hanala ilay baka mampijaly antsika mianakavy.

Tsy nisy na iray aza mba nanoman-tena ho amin’izany fa dia tongatonga ho azy teo amin’ny kilasy famaranana daholo na ilay mpampianatra avy any amin’ny faritra Sofia, na ilay miaramila tsara tefy tany amin’ny reny malala, na ilay profesora mpandidy nikohizana, na ilay mpivaro-dronono malaza avy any Vakiniadiana na ilay kaontabla avy etsy SabNam. Ankehitriny dia nandrafitra tetika hanalana baka ilay zandrikely mpikosoka kapila, Indrisy fa  tsy nomen’ny “mpampianatra” iraisam-prenena azy mihitsy ilay “ravin-taratasy” (io ilay baka-na ariary zato). Dia mety hiteny ny sasany hoe ny azy aza izany vao fotoana fohy, fa nisy anie ny 16 taona maninjitra, ny 3 taona ngarangidina, ary koa aza dia 7 taona na 5 taona  e!

Ny “baka”-n’i Madagasikara dia tsy ho afak’ireto miseho azy ho fantsy ireto mihitsy satria tsy fantany akory ny tena olana eto, tsy hainy izay tena mampangirifiry ny Gasy, tsy fantany sy tsy tsapany fa tsy hatokisan’ny vahoakany akory izy ireo tamin’ny fitantanana na koa ny fitsaboana tiany hatao. Sady tsy nandalo ny dingana rehetra tokony ho lalovana, no variana mitady hevitra mihoampampana amin’ny “taranja” tokony hanadinana. Tsy mbola nifanarahana hatramin’izao raha tena tokony hanala io bakany io ny Gasy, tsy hay mihitsy hatramin’izao raha tokony hiatrika marina ny “fanorenana ny firenena” ny mpanao politikantsika.

Tsy sanatria ka ho “baka” kely tsy hahavitana mamindra araka ny tokony ho izy, tsy baka isabakabakana sy hanaovana kitsapatsapa fotsiny. Mampalahelo sy mahakivy tokoa fa bac tsy hahaizana mifehy izay tokony ho hay akory matetika no nilofosana. Raha nisy lanjany tokoa ve ny Bac-ntsika dia mbola tsy afaka baka ihany isika hatramin’izao?

Mankaiza marina moa isika rehetra? Hanala baka tokoa? Sa hitaingina baka? Sa misabaka sy manao fitan-droa? Sa mangala-taona sy may ny ho tody amin’ny kilasy famaranana mba hanala baka tsy takatry ny saina? Tsy mino sy tsy mahatoky antsika anie, ho’aho, ny olona e!

 (*) Baka= tsilokely mandratra (fahantrana, demokrasia, politika, fifidianana, repoblika?)

Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *