Auteur R Nirina


CARTE GRISE BIOMETRIQUE : Nahemotra amin’ny faran’ny volana martsa 2017.


Nahemotra ny faran’ny volana martsa 2017 ny fanovana ireo « carte grise » teo aloha ho « carte grise biometrique ». Nandray izao fanapahan-kevitra izao ny minisitry ny atitany sady praiministra lehiben’ny governemanta.

Anterivava : RAJAONARISON Charli Hyacinthe

« Manodidina 130.000 ny « carte grise biometrique» na 65% no efa vita ankehitriny », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny foibe mpanome laharan’ny fiara etsy Ambohidahy, RAJAONARISON Charli Hyacinthe. chef-cimNoho ny filaharana be sy ny fahitan’ny tomponandraikitra fa tsy tratra ny fotoana faran’ny volana desambra 2016 hanovan’izy ireo no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Raha ny tombana, ho vita amin’ny volana febroary 2017 ny fanovana ireo ambony ireo. « Manentana ny olona mba tsy hiandry ny farany vao hanova fa izay no antony izao filaharam-be izao », hoy izy. Nanambara, ihany koa, izy fa tsy misy mpiasan’ny foibe mpanome laharan’ny fiara mijoro any ivelany kanefa tsy lavina ny fisian’ ireo mpisandoka. Miara-miasa amin’ny polisy izy ireo hiadiana amin’ireo mpanao ratsy ireo. Nanentana izy mba tsy handoa vola any ivelany fa efa misy ny « guichet unique » hanaovana izany. « Tsy maintsy ny tompony ihany no manova ny taratasy famantarana ny fiara fa rehefa tena tsy afaka ny tompony dia manao fahazoan-dalana ( procuration ) ary vita firaketana an-tsoratra ( enregistré ).
Nirina R.

HORONAN-TSARY


FOCUS DEVELOPMENT: Araraotina ireo tsy manan-tsata.


Tsy manan-tsata, resaka tsy faheno kanefa misy eto Madagasikara. Mpiavy avokoa no niforonan’ny mponina teto. Mbola nitohy izany taty aoriana ka betsaka amin’izy ireo no niteraka teto an-toerana. Mijaly sy mahantra anefa ireo taranaka ireo satria tsy manan-jo ho olom-pirenena Malagasy vokatry ny lalana”. Iharan’ny fanararaotana mihitsy.
Izany indrindra no nahatonga ny Focus Development nanatontosa tetikasa “Gasy Jiaby” natokana ho an’ny “apatride” na ny tsy fananan-tsata. Continuer la lecture