Auteur R Nirina


Fivarotana ny tany « VILLA ELIZABETH » : Andian’olona sy fahefam-panjakana no mahavita izany


Efa ela (taona 2007 tany ho any) ny Pr zafy no niresaka tamin’ireo olona akaiky azy fa misy nitsiriritra io Villa Elizabeth io. Zarain’ity raiamandreny ity amin’ny « olona atokisany » ny ahiahiny :  » Misy olona niditra tao amin’ny  Villa, hoy izy,  ka namaritra tany  ary mitonona ho mpiasan’ny fananantany  ireo olona ireo,  tsy fantatro akory sady tsy nampandrenesina aho tompontrano fa ohatran’ny an-tery no nanaovana izany, hoy ny fitantarany. Continuer la lecture


VATOSOA : Manamora ny dingana atao amin’ny fanondranana ny ministera.


Olon-tsotra sy orinasa 18 nandray anjara tamin’ny fifaninana momba ny fanefena vatosoa. Hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fampirantiana iraisam-pirenena atao any Londres ny volana novambra ho avy izao ny nandrombaka ny loka voalohany. Niofana momba fanefena vatosoa izy ireo talohan’ny fifaninana.

Naranty nandritra ny lanonana fizarana ny loka ireo vatosoa voapaika, asan-tanan’ireo mpandray anjara. Nanatrika izany ny Ministry ny harena an-kibony tany sy solitany, ZAFILAHY Ying Vah, ny Tale Jeneralin’ny ivom-pampiofanana momba ny vatosoa eto Madagasikara (IGM), Andrianirina RASOLONJATOVO.

Sehatra ara-dalana

Ao anatin’ny politikan’ny ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany ny fanamorana ny dingana atao amin’ny fanondranana vatosoa. “Ho fampitomboana ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no tanjona eto”, hoy i Andrianirina RASOLONJATOVO. Ny fidirana amin’ny sehatra ara-dalana no lalana ahafahana manatanteraka izany.

Mbola tsy hiditra eny amin’ny fivoriana ara-potoana ny fitsipika mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Na izany aza, mifandinika amin’ny fanatsarana ity sehatry ity foana ny ratsa-mangaika rehetra voakasika, araka ny fanazavan’ny Ministra.

Ny 25 oktobra 2017 ny fizarana mari-pankasitrahana an’ireo mpifaninana tamin’ny andiany faharoa.

Nirina R.

HORONAN-TSARY


MADAGASCAR FASHION WEEK: Fitadiavana lalam-barotra ho an’ny mpamorona lamaody Malagasy.


Efa kely sisa ny toerana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fampisehoana ny vokatry ny  asa tanany eo amin’ny sehatry ny lamaody. Ny 09 oktobra 2017 no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny “Madagascar Fashion Week Océan Indien” izay ho tontosaina any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra 2017 ho avy izao. Continuer la lecture