Socio-eco

ATD QUART MONDE: Nahatonga ireo mpitsimpona fako ho nanana asa mahavelona


Manohitra tanteraka ny fizarana zavatra amin’ireo olona sahirana ny ONG ATD Quart monde. “Manohitra ny zo aman-kasin’ny olona izany”, hoy ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny ONG, Prisca Randrianarindriana. Ny fiarahana mitady vahaolana amin’ireo olona sahirana ialàna amin’ny fahantrana no ataon’ny ONG. Andro manerantany natokan’ny firenena mikambana hankalazana ny famongorana ny fahantrana ny 17 oktobra ny ka lohahevitra tamin’ity taona ity ny fanohanana ny olona miaina ao anatin’ny fahantrana izay voahilikilika mba hanorina tontolo tsy iharan’ny fanilikilihana fa hanajana ny zo aman-kasina maha olona. Nanamarika izany teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny 17 sy 18 oktobra 2018 ny ONG ATD Quart monde.

Paikady entin’ny ONG ATD Quart monde hanampiana ireo olona sahirana ny fihainoana ny hetahetan’izy ireo sy ny fiarahana mitady vahaolana ahafahana mivoaka amin’ny fahantrana. Miara-miasa amin’ny fianakaviana sahirana avy eto Antananarivo sy any Toliara ary any Mahajanga ny toerana ny ONG. Fianakaviana 300 monina eny amin’ny fokontany Antohomadinika sy Andramiarana no miara-miasa akaiky aminy raha ho an’ny eto Antananarivo no resahana. Tamin’ny alalan’ny fihainoana ny tetikasa tian’izy ireo atao sy ny fikarohana vahaolana dia betsaka ireo fianakaviana niaina tamin’ny fitsindrohana fako teo aloha no lasa manana antom-pivelomana ankehitriny. Mampianatra ny tanora ny adidy amin’ny maha olompirenena azy ary manosika azy any amin’ny fiofanana arak’asa na any amin’ny fianarana ihany koa ONG.

Araka ny fanazavan’ny mpilatsaka an-tsitrapo, Prisca Randrianarindriana fa manome fiofanana arak’asa ho an’ireo fianakaviana sahirana ny ONG ary manohana ara-bola ny tetikasan’izy ireo raha ilaina izany. Nampiranty ireo asa fivelomany toy ny fanamboarana kiraro, fandrariana “tapis”… nandritra ny fankalazana ny andro manerantany ireo fianakaviana tafala tao anatin’ny fahantrana lalina, mpiara-miasa amin’ny ONG ATD Quart monde .

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *