De-Lire

APM : “Tsy rehefa maty aho vao tonga ianareo hanotrona”


Amin’ny maha olom-pirenena ahy dia anisan’ny fanapahan-kevitra goavana noraisiko teo amin’ny fiainako ity :

Nanangana ny APM na ANTOKO POLITIKA MADIO ny tenako : RAKOTOARISOA Faniry Alban (FB : Bàbà Rakotoarisoa na Gangstabab).

Ka miantso anareo aho ary manasa antsika rehetra mba ho tonga hanatrika ny fampahafantarana ofisialy an’izany antoko pôlitika vao natsangako izany ny SABOTSY 16 JANOARY ho avy izao @ 10 ora maraina ao amin’ny PK ZERO – Cercle des Cheminots Soarano. Mba te hifanatri-tava aminareo amin’izao fahaveloko izao fa tsy rehefa maty aho vao tonga ianareo hanotrona.

Betsaka ireo miahiahy ary maro be ny fanontaniana ho valiako amin’io fotoana io. Fotoana iray ahafahako manazava ny resaka mandeha rehetra : ny antony, ny tanjona, ny foto-kevitra, ny tarigetra, ny sakana, ny mpikambana ao anatin’ny birao, ny ambadika pôlitika sy ny sisa.

Farany : Tsy manana Radio, na Télé, na Gazety ny APM ka miangavy anao mba hizara sy hanaparitaka ity fanasana ity ho an’ny tapaka sy namana leo pôlitika maloto ka miandrandra fiovana.

Amin’ny anaran’ny APM – ANTOKO POLITIKA MADIO : « Firenena fa tsy seza ».

Tsy misy vidim-pidirana, tsy misy fizarana vola.

Alban Rakotoarisoa


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *