Socio-eco

ANTOKO FREEDOM: Ho afa-pahasahiranana ny Akany Fitahiantsoa


Herim-pon’ny tale mpanorina no nampiodina ny Akany Fitahiantsoa tao anatin’izay efa-taona izay. Ankizy sahirana miisa 310 no beazina ao amin’ny akany ka ny ivon-toerana no miantoka ny sakafo atoandron’ireo mpianatra. Mandoa 200 Ariary isan’andro kosa ireo ray aman-dreny ho fanampiana ny akany amin’ny resaka sakafo. Raha ny fantatra dia mandany vary enina kilao isan’andro ny akany Fitahiantsoa ary mandoa hofan-trano 300.000 Ariary isam-bolana. Manoloana izany dia nanolo-tanana ity akany fanabeazana ankizy sahirana sy marefo ity ny antoko Freedom. Tonga teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotondrazafy Lalatiana sy ireo mpiara-miasa aminy ny 17 mey 2019 nanolotra vary iray gony, sira 10 kilao, tsaramaso iray gony, kifafa 15, savoka 16 boaty ary ranon-tsavony fanasana lovia 10 tavoahangy. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko fa ny taona 2015 no nanomboka niara-niasa tamin’ny tale mpanorina ny akany Fitahiantsoa ny tenany. Nohamafisin’ny tale Lalao Lalanirina ihany koa fa efa ela izy no niara-niasa tamin’ny Freedom ary izao lasa reny mpiahy ny akany izao ny filoha nasionalin’ny antoko. Tsy vita hatreo ny fanampian’ny antoko fa mbola nitady lalana mba hahazoan’ny akany tany hanorenana trano ho azy manokana. “Efa nahita mpiara-miasa hanampy amin’ny hanamboatra trano izahay”, hoy hatrany ny filohan’ny antoko.

Marihina fa ankizy sahirana 3 ka hatramin’ny 15 taona, avy ao amin’ny fokontany dimy manodidina ny ivon-toerana no mianatra ao amin’ny Akany Fitahiantsoa. 3000 Ariary isam-bolana no saram-pianarana aloan’ny ray aman-dreny. Ahitana kilasy maternelle ka hatramin’ny taona faha-7 ao amin’ny akany. Fito no nanala fanadinana CEPE tamin’ny herintaona ary efatra tamin’ireo no afaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *