Evenement

Anosivavaka Ambohimanarina 1929 : Nilatsahan’ny Fanahy Masina


“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (II Tim 1, 8a). Izany fampirisihin’ny Apostoly Paoly an’i Pastora Timoty zanany izany no Teny fanevan’ny faha-88 taona nandresena ny sampin’Andriambodolova tetsy Anosisoa Ambohimanarina. Nivoaka pagina voalohan’ny gazety Diavolana sy gazety an-tsoratra hafa tamy ny 8 septambira 1929 tokoa ny lohateny vaventy hoe: “Ampiady andriamanitra Iombonimanana sy ny Kristiana”. Mpisoron-tsampin’Andriambodolova Iombonimanana, na Ramiaramanana”.

Nisy Mpitandrina nitondra tsiahy mikasika izany tantara marina izany vokatry ny fitsidihan’ny Evanjelisitra loterana Rajaofera Daniel na Baba Rajaofera avy any Vatotsara teto an-drenivohitra, ka niarahany niasa tamy Pasitera Ratsimba nitandrina an’i Betafo Ambohimanarina. Io faneva io koa no notorian’ny Mpitandrina Rakotondramanana Arijaona, Filohan’ny SAFIF. Nentiny nampirisika sy nampahery ireo Mpiomana 55 mianadahy hatokana ho Mpiandry, ka tsy hihemotra anatrehan’ny mafy sy sarotra ary fanenjehana, noho ny amin’ny Tompo.

Ny FLM Vatotsara (Antsirabe) sy ny FJKM Ambohimanarina 12 Tafo no mifarimbona manatontosa ny firaisan’i Vatotsara sy Anosivavaka isaky ny 8 septambira. “Procession” bevata miala eny Anosisoa mankeo Anosivavaka no manokatra ny lanonana. Io Mazava Lehibe nipoitra teo Ambohimnarina tamy 1929 io no nantsoina tamin’izany hoe “Baba Rajaofera sy ny nilatsahan’ny Fanahy Masina”.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *