Evenement

ANKAZONDANDY RN3 : Nirodanan’ny ampiantanin’ny EKAR ny tranovato FJKM


 

EKAR-FJKMDSC06463

Toy izao ny avy avaratra raha mivoaka ny trano fisainana FJKM

Soa fa tranovato marim-pototra sy tsara rafitra ny FJKM Ankazondandy, fa raha tranobirika na “tranozozoro” (tranohazo) dia rava tanteraka. Vonton-drano mantsy ny tokotanin’ny sekoly katolika eo anilan’ny EKAR Ankazondandy, ka tsy nahatana izany intsony ny rarivato miaro ny nofon-tany.

EKAR-FJKMDSC06464

Ny sekoly katolika eny ambony atsinanana

Mifanolo-bodirindrina ny EKAR sy ny FJKM any Ankazondandy, saingy mifanao ambony sy ambany, ka ny katolika no ambony atsinanana. Tonga dia eo ambany andrefany kosa ny protestantra. Nahatanty choc ilay trano fiangonana, koa dia voafetra ny fahavoazana. Vokatry ny orana nisesy no nampihotsaka an’io rarivaton’ny katolika io.

EKAR-FJKMDSC06465

Dia ho sanatria nisy zava-manan’aina sendra nandalo ve? Tsy hay tsy hay!

Antenaina sy inoana fa tsy nisy olona nandalo tamy fotoana nikorisan’ny ranontany, raha tsy izany dia fasana vonjimaika ao aloha mandram-pahavitan’ny asa fanarenana. Samy mpikambana ao amy ny FFKM ny EKAR sy FJKM, ka heverina fa ho vita mora foana ny fifampiraharahana sy fanarenana ny simba, satria samy mpiray tampo ao amy Tompo.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *