Socio-eco

Andro eran-tany momba ny ny boky sy zon’ny mpamorona : VOVONAMBEN’NY ROHIN’NY BOKY


Ankoatra ny fankalazana ny Andro eran-tany momba ny boky sy zon’ny mpamorona izay nomarihina tamy varotra fampisehoana teo Antaninarenina, dia notanterahana teo amy ny efitrano Rabesahala Gisèle Tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha ny “Vovonamben’ny rohin’ny boky”. Ny Federasion’ny Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS) teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy Asatanana no nanatontosa izany ny zoma 22 avrily 2016.

Raha atao bango tokana dia fanatsikasinina ny petrakolana, na problematika, araka ny iainan’ny mpanoratra, mpanonta, fivarotam-boky ary fitahirizam-boky no navoitran’ireo nandahateny. Rabenandrasana Lalao François filohan’ny FMTS, kingalahy amy fandaharan-teny, no nitarika sy nandrindra ny fotoana, ka tsy mahagaga raha nafana tokoa ny hadihevitra. Namaly ny hetahetan’ny Vovonamben’ny rohin’ny boky ireo olona voaasa handehateny araka ireto lohahevitra ireto:

  • Ny olan’ny mpanoratra sy ny hetahetany (Ramaherison Rado mpanoratra).
  • Ny asa fanotam-boky sy ny manodidina azy (Pastora Ramanantsoa Haja Wilson)
  • Ny fivarotam-boky sy ny andraikiny (Filohan’ny Fikambanan’ny Mpivaroboky eto Madagasikara)
  • Ny fitsinjarana ny boky (Razafintsalama Michelle, filohan’ny AEDIM)
  • Ny toeram-pitahirizam-boky (Rasolonirina Zo Miary, Tranombokim-pirenena)
  • Ny tokony ho fantatry ny mpanoratra momba ny zony (Rabenalisoa Ravalitera, SJ Sendikan’ny Mpanoratra SEMPA).

Tsy nitsitsy teny mihitsy Ramaherison Rado niatrika ny tompon’andraikitry ny OMDA, izay nampangainy ampahibemaso fa ny Mpanakanto ihany no tena mahazo laka fa ny Mpanoratra kosa zary lasa anjorombala. Niteraka hadihevitra lava moa ny mikasika an’io, koa dia inoana fa samy nandray izay tandrify azy ny isan-tsokajiny, ka hiteraka fiovana sy fanavaozana izany fa tsy hivalona ho tantara fotsiny ka ho lasa anjavony tahaka ny kohaky ny mpifana ireny vovonambe nandaniana andro sy rondoha ireny.

Razaka Oliva

                             Delire teny sy soratra01

Noraiketin’ny FMTS an-tsoratra ny tantaran’ny soratra sy printy

               Delire teny sy soratra02

Rabenandrasana Lalao François no nitantana ny fotoana

Delire teny sy soratra03

Nilamina ny adihevitra na dia tsy ampy seza aza ny efitrano

Delire teny sy soratra04

Ny Pastora Ramanantsoa Haja Wilson, Réd-Chef TPFLM

Delire teny sy soratra05

                                                                      Ny filohan’ny Fikambanan’ny Mpivaroboky eto Madagasikara

Delire teny sy soratra06

Razafintsalama Michelle, Filohan’ny AEDIM

Delire teny sy soratra07

Rabenalisoa Ravalitera, Sekretera Jeneralin’ny SEMPA

Delire teny sy soratra08

                                                                           Lehiben’ny sampanasa misahana Lalàna ao amy ny OMDA

 

Sary sy soratra: Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *