Nanao fanambarana misy ny datin’ny omaly Talata 14 Aprily 2020 ny avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny minisitra fa :
Mpiasan’ny fahasalamana miisa (02) roa no tratran’ny aretina COVID-19. Mpianatra ho Dokotera amin’ny taona fahavalo ary Dokotera izy ireo
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia mampahery azy ireo ary mirary fahasitranana haingana.
Ny ezaka rehetra hanamafisana ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasasalamana dia mitohy.
Misaotra sy mankakasitraka ny mpiasan’ny fahasala1nana rehetra izay manao ny ainy tsy ho zavatra runin’ny ady amin’ity valan’aretina ity ny Minisitera.
© Sary fanehoana, ary nalaina tao anaty internet
Pingback: Misy ny mpiasan’ny fahasalamana tratry ny Covid-19 - ewa.mg