Evenement

Alahady 16 jona 2016 : Fetin’ny taranaka Ambonin’Ampamarinana (FIZAA)


 

Ny alahady faharoa amy volana jona no natokana ho alahadin’ny taranaka na koa ny Fikambanan’ny Zanaka am-pielezana Ambonin’Ampamarinana (FIZAA). Ny nampiavaka ny fotoana litorjika nanatanterahana izany alahadin’ny taranaka izany dia ny toriteny an-kira.

Nifarimbona tamy ny Mpitandrina Raheriarison Lala Théodore tamin’izany toriteny an-kira izany ny antoko mpihira telo karazana FJKM Tranovato Ambonin’Ampamarinana sy Ramatoa vadin’ny Mpitandrina izay manana fanomezam-pahasoavana amy lahatsoratra sy kanto. Vitsivitsy ihany raha oharina tamy taon-dasa ny zanaka am-pielezazna tonga nanatrika izany alahadin’ny taranaka izany. Na izany aza anefa dia tontosa tamin’io andro io ihany ny fifidianana nanavaozana ny mpikamba amy birao hitantana ny fikambanana mandritra ny fe-potoana manaraka. Araka ny hitantsika amy sary dia lahitokana ary fitovavy mbamin’ny mpamarim-bola ireo mpikambana vaovao. Ny mpitari-draharaha ihany no lehilahy. Toy izao no vokatry ny fifidianana :

– Filoha: RAZAKA Oliva

– Filoha mpanampy: RAZAFIANDZAVOLA Miarivony

– Mpitantsoratry ny fivoriana: ANDRIANALISERA Harisoa

– Mpitantsoratry ny vola: RAZAFITSAMBAINA Sahondra

– Mpitahiry vola:  RANDRIAMBOLANORO Hanta

– Mpanolontsaina: ANDRIAMIFIDY Fara sy RATSARAMIAFARA Bakoly

– Mpandini-bola: MAHAZAKA-FANDRESENA Maika sy FLORENCE Andriamifidy.

Vaindohan-draharahan’ny birao vaovao ny fanomanana ny fitsangatsangfanana hatao ny 27 jolay 2019 eny Amboanjobe misy ny tanànan’ny Pasitera Rasolomanana Nehémie mianakavy.

Nanangona Razaka Oliva


One comment on “Alahady 16 jona 2016 : Fetin’ny taranaka Ambonin’Ampamarinana (FIZAA)

  1. Pingback: Alahady 16 jona 2016 : Fetin’ny taranaka Ambonin’Ampamarinana (FIZAA) - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *