Miomana fatratra amy fankalazana ny Alahadin’ny Radio Teny Fiainana (RTF) ny mpisehatra rehetra mampandeha io sitasiona radio io.
                                Â
               Ny FLM Ambatovinaky, renivohitry ny SPAnta, misy ny sitasiona RTF
Singa iray ao anatin’ny Synodam-Paritanin’Antananarivo (SPAnta), eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ny RTF. Tany amy taona 2009 no niorenany, ary ao Ambatovinaky, izay renivohitry ny Synoda no misy ny sitasiona fampielezam-peo. Ankoatra ny fitoriana ny Filazantsara hitarihina ny mpihaino azy hino an’i Jesosy, dia natokan’ny RTF hanentanana ny Fiangonana sy ny mpankasitra koa io Alahadin’ny RTF io, mba hahazoana fanohanana ara-pitaovana sy ara-bola hatokana hampandehanana ny radio.
                            Â
                   Ramatoa Raharimalala Bernadette, Talen’ny Radio Teny Fiainana
Reneso ny anterivava nataon’ny Délire Madagascar an-dRamatoa Raharimalala Bernadette, Tale, nanadihady ny momba io Alahadin’ny RTF io.
Nanangona RAZAKA Oliva