mavoloha Actus

TENY MAVOLOHA : Hoy ireo tojo anay


 

Fihaonan’ny samy hery velona teo amin’ny tany sy ny firenena ny teny Mavoloha. Samy faly, samy mifampirarisoa, samy manana ny fomba fanehoany ny heviny….

jaona

Depiote Jaona Elite (Atsimondrano)

« Afaka maneho ny heviny daholo ny olom-pirenena rehetra, rehefa misy zavatra tsy azoazony. Amiko, mazava be izany, izay izany ny hevitry ny vahoaka dia anjaran’ny Mpitondra no mijery ilay izy. »

Nicola

Depiote Nicolas (Betroka)

« Ny RN13 moa izany mba tokony ho jerena raha manaraka ny fandaharana, satria io RN13 io dia lalan’ny fampandrosoana amy faritra atsimo. Koa hiangaviana ny Prezidan’ny Repoblika mba hitodi-doha amin’io RN13 io”

Tsilavina

Tsilavina Ralaindimby, Talen’ny Sera ao amy Prezidansy

“ Ilay taona 2016 mihitsy no miavaka satria taona handraisantsika ny antsasa-manilan’izao tontolo izao amin’ny fihaonan’ny tany mampiasa ny teny frantsay, dia ny fihaonan’ny COMESA. Dia izay no nahatonga an’ireto ankizy 100 ireto mitondra ny sainan’ny firenena izay ho avy eto Madagasikara amin’ity taona ity. Ny dikan’izay dia ireo tanora ireo no tena higoka izay tombontsoa rehetra haintsika no mitrandraka azy ao anatin’ireo fihaonana ireo, satria tsy fihaonana fe fihaonana ireo fa fihaonana hanamboarantsika ny firafitry ny fihariankarena eto amintsika, indrindra indrindra ny fihariankarena ifandraisantsika amin’izao tontolo izao”

Fiandraza

Fiandraza (Chef de région Androy)

“Manentana ny mpiara-belona sy mpiara-monina any Androy rehetra mba hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra, ho amin’ny fampandrosoana. Taona fiasana ity taona ity ka aleo hajanona kely ny adilahy politika fa tsy hitondra mankaiza izany. Koa aleo hatambatra ny hery rehetra, na avaratra, na atsimo, na andrefana, na atsinanana, hiara-mientana hampandroso an’ilay faritra Androy izay itambarana”

Claudia

Randriniainasoa Claudia (Association Ambalambahoaka)

“Tokony handinika ny tantaram-pirenena isika Malagasy. Mazamazana ihany ny manarina izany firenena nivoaka krizy politika izany, ka tokony tsy manaiky hahodinkodina amy fanakorontanana sy ho rebireben’ny mpanao politika. Mijaly ny taranaka raha lany andro amy ny adilahy politika isika. Efa fotoana tokony hitrakantsika izao”

Andriamananjara

Rajaona Andriamananjara (Prezida Akademia Malagasy)

“Dia mifampirary soa isika rehetra amy izao nahatratrarana ny taoa vaovao izao. Tamy fiteny malagasy moa nisy hatrany ny fomba fitenenana hoe mirary fahasalamana, mirary fahasoavana ary mirary fahombiazana ho an’ny isam-batan’olona eo amin’ny isan-tokantrano”

ranarivelo

Monseigneur Ranarivelo Jaona (Filohan’ny EEM)

« Fisaorana an’Andriamanitra fa tratra ny asaramanitra, dia zava-dehibe ny fifampiarahabana sy firariantsoa. Heverinay koa fa hitondra fanantenana ho antsika mianakavy anie ny taona vaovao »

eric Rakotoarisoa

Rakotoarisoa Jean Eric (Filohan’ny HCC)

“Andro hahitana ny lalan-kizorana amin’ity taona ity ny androany. Araka ny hafatry ny Doyen’ny Corps diplomatique teo dia tsara ny manonofy fa miezaka isika hiasa hanatanteraka ny nofy”

Rivo Rakotovao

Rakotovao Rivo (MEPATE)

“Mirary soa ny vahoaka Malagasy iray manontolo, dia samy ho tahin’Andriamanitra. Mangataka amin’Andriamanitra isika mba hahavita izay tokony hataony ny rehetra rehetra mba hampandroso an’;ity firenentsika ity. Azo atao ny manonofy kanefa tsy maintsy miasa. nolanjalanjaina araka izay azo atao iny 7,5% iny”

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *