Hitondra vahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra toy ny vaky trano, halatra fiara… ny “salon des produits et solution de sécurité » (S’PSS). Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
Orchidées Blanches (O.B) : Lalana Jean Charles Rasoanaivo
Nampitondraina ny lalana manoloana ny Orchidées Blanches (O.B) Analamahitsy mihazo an’Androhibe (ENAM) ny anarana Jean Charles Rasoanaivo. Continuer la lecture
Dama Mahaleo: “Ho filohampirenen’ny fokonolona”
Taniketsan’ny demokrasia ny fokonolona. Ao no ivon’ny teny ierana sy soa iombonana, hoy i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 30 jona 2018, teny amin’ny kianjan’ny ESCA Antanimena fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Continuer la lecture
MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy lamaody
Mpamorona lamaody manodidina ny folo eo handray anjara amin’ny “Madagascar fashion week océan indien”, andiany faha-efatra. Continuer la lecture
Ratsietison Jean-Jacques : Hampidina ny vidin’entana
Fidinan’ny vidim-piainana mahery vaika misy fiantraikany any amin’ny vilan’ny tsirairay no ilain’ny vahoaka Malagasy. Continuer la lecture
USAM: Inona no sendikalsima mendrika eto Madagasikara?
Nivoaka ny boky nosoratan’i Samuel Rabemanantsoa, sendikalista. “Inona no sendikalsima mendrika eto Madagasikara? ” ny lohatenin’ny boky ary misy andiany roa. Continuer la lecture
SEMPIDOU : Hihamafy ny fitokonana
Tsy hijanona ny fitakiana raha tsy voavaly daholo ny fangatahana rehetra, hoy ny solon-tenan’ireo mpiasan’ny fadintseranana tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny 27 Jona 2018 raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Continuer la lecture
Vokatry ny tantsaha: Hiakatra ny kianjan’ny MAKIS
Fotoan-dehibe ho an’ny tantsaha manerana ny faritra 22 ny FIER-MADA. Ho tanterahana ny 01 ka hatramin’ny 05 Aogositra 2018 eny amin’ny kianjan’ny MAKIS Andohatapenaka ny andiany faha-20 ny FIER-MADA. Continuer la lecture
ONN: Marolafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
“Ankohonana misitraka ny fanjarian-tsakafo lavorary, fenitra ho an’ny fampandrosoana maharitra” no lohahevitra ho entina hanamarihana ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (JNN) . Ny 6 sy ny 7 jolay 2018 any Antisrabe, faritra Vakinankaratra no hanatanterahana izany. Continuer la lecture
KAOMININA BONGATSARA : Nipaka tamin’ny vahoaka ny tamberinandraikitra
Notanisaina nandritra ny fankalazàn’ny kaominina Bongatsara ny fetim-pirenena Malagasy ireo asa vita. Foto-drafitr’asa maro no tontosa ka anisan’izany ny fanamboarana ny hopitaly. Ahitana toeram-pandidiana io hopitaly vaovao io. Continuer la lecture





















