Catégorie politique



VTSR: “Tsy marin-toerana ny fitondrana ankehitriny”.


Resy  lahatra ny VTSR  izany ivondronan’ny mpanao politika manohana sy manohitra ny fitondrana ary ny afovoany fa ahitana kolikoly avokoa  ny ratsa-mangaikam-panjakana  rehetra ka izany no mahatonga ny fitondram-panjakana tsy marin-toerana.   Noho izany, mila  esorina avokoa ireo manao ny tsy mety.  Ny fanadiovana ny fitantanana ho fitondrana tsara tantana  no tanjona eto. Continuer la lecture


FILOHAN’NY FILAN-KEVITRA MONISIPALY-BEN’NY TANANA TOAMASINA I: Niafara hatramin’ny fifampitoriana.


“Nitady ny fomba rehetra hanagadrana ahy ny Ben’ny Tanana Elisée RATSIRAKA ary mbola mitohy izany hatramin’izao”, hoy ny Filohan’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominina  Toamasina, Solofo Ginah. Ankoatra ny fitoriana natao azy dia tsy manana birao ao amin’ny kaominina ny tenany amin’izao fotoana izao satria nalaina tany aminy ny lakile. Continuer la lecture


DFP: “Tandindomin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara”.


Ho avy eto Madagasikara ny filoham-pirenenan’ny Turquie, Tayyip Erdoğan. Nambaran’ny vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) anefa fa malaza ho lohandohan’ny mpisorona amin’ny asa fampihorohoroana izy ity.

Anterivava : Maharavo RATOLONJANAHARY

“Ny vondrona eropeanina aza matahotra  azy ka izany  no mahatonga an’io firenena tsy ho voaray ho mpikambana ao anatin’ny frankofonia”, hoy i Maharavo RATOLONJANAHARY, Filoha Mpandrindra  ny DFP.

Niantso ny mpanao gazety mihitsy ny DFP satria mampiahiahy ny fivahinian’ity filoham-pirenena vahiny ity eto amintsika. Nambarany fa raha teraka ny fifanarahana ara-diplomatika amin’ny firenena Turc dia ho tandindomin-doza amin’ny asa fampihorohoroana ny vahoaka Malagasy.

Noho izany, manaitra ny mpiray tanindrazana ny DFP mba ho mailo sy hifoha amin’ny torimasony.

Lynda A.


AUGUSTIN ANDRIAMANANORO : Tantara mitohy…Soamahamanina…niditra Viva Ambodivona…traingo teny am-pasana teny Itaosy… Ilay olo malazan’ny tetezamita.


Voasambotra teny am-pandevenana ny rahavavin-dreniny i Augustin ANDRIAMANANORO ny Sabotsy hariva lasa teo. Izao ilay tonga amin’ny fitenenana hoe « manararao-paty ». « Tsy rariny sy manalabaraka anay fianakaviana izao ataon’ny mpitandro filaminana izao satria ao anatin’ny fandevenana ny havany no nitranga ny fisamborana », hoy ny fianakaviany. Continuer la lecture