Nandray masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara ny orinasa Ambatovy ao Toamasina ny Alatsinainy 3 febroary 2020. Tao anatin’ity delegasiôna ity ny masoivohon’i Kôrea Atsimo, ALim Sang-Woo, ny an’i Frantsa, Christophe Bouchard, ny an’i Etazonia, Michaël P. Pelletier, ary ny “Chef de Bureau” ao amin’ny masoivoho an’i Nôrvezy, Andréas Danevad. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
GOVERNEMANTA NTSAY CHRISTIAN 2.0
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA ROAPOLO SY ROA ARIVO TSIPIKA FITOPOLO Anendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta
NY FILOHAN’NY REPOBLIKA, – Araka ny Lalam-panorenana; – Araka ny didim-panjakana laharana fahasivy ambin’ny folo sy roa arivo tsipika efatra ambin’ny folo aotra fito, tamin’ny sivy ambin’ny folo jolay, taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, anendrena ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta; – Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,
Minisitry ny Fiarovam-pirenena : Général de Corps d’Armée RAKOTONIRINA Léon Jean Richard
Minisitry ny Raharaha-bahiny : Docteur TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Liva
Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna : Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard
Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola : Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard
Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna : Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Tianarivelo
Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys
Minisitry ny Fanajariana ny Tany,sy ny Asa Vaventy : Andriamatoa ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa: Ramatoa ANDRIAMANANA JOSOA Iarintsambatra Rijasoa
Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka: Professeur AHMAD Ahmad
Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono : Andriamatoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien
Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo : Andriamatoa RAMAROLAHY Christian
Minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana: Ramatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary
Minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika : Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo
Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Andriamatoa RANDRIAMANDRANTO Joel
Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna : Ramatoa RAMAMPY Gisèle
Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa : Professeur ASSOUMACOU Elia Béatrice
Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana : Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa
Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra : Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala
Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra sy ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra : Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa
Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy : Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah
Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena : Andriamatoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto Michael
Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina : Ramatoa RAKOTONDRAZAFY- ANDRIATONGARIVO Lalatiana
Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Ministeran’ny FanajariananyTany, sy ny Asa Vaventy: Andriamatoa ZASY Michael Angel
Sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenana: Général de Corps d’Armée RAVALOMANANA Richard
Foana ary tsy manan-kery ireo andinindininy rehetra tany aloha mifanohitra amin’izay voalazan’ity didim-panjakana ity dia ireto manaraka ireto – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika folo sy efajato sy arivo natao ny fahaefatra ambiny roapolo jolay sivy ambinifolo sy roa arivo, – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby dimapolo sy valonjato sy arivo natao ny faha roapolo septambra sivy ambinifolo sy roa arivo – Ary laharana faha°sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby efapolo sy roa arivo natao ny fahatelopolo oktobra sivy ambinifolo sy roa arivo nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta.
PROMOTEUR IMMOBILIER WIMMO : Mifanentana amin’ny filàn’ny mpanjifa ny kalitaon’ny tolotra
Mankany amin’ny tsaratsara kokoa. Niova ho Wimmo no iantsoana ny SIM ( Société Immobilière Michelin). Nosafidiana manokana io anarana io satria tanora kokoa, maoderina kokoa ary manamafy ny teny filamatry ny orinasa: « ensemble, innovons l’immobilier ». Continuer la lecture
ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Hizara mivantana ny fanomezany any amin’ny traboina.
Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjakana ny ONG Ny Fanahy maha olona hanome alalana ny fiaramanidina hitondra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry tondra-drano. Nambaran’ny filohan’ny ONG, Ny Rado Rafalimanana ny 27 Janoary 2020 tamin’ny mpanao gazety fa iray andro aorian’ny faneken’ny fitondram-panjakana dia higadona eto Madagasikara io fiaramanidina io. Continuer la lecture
FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika
« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture
FAMOTORANA NY RAHARAHA TANY ENY NANISANA: Tsy misy idiran’ny resaka politika
Zavatra roa samy hafa. Taorian’ny fitsirihana sy famotorana nataon’ny “direction de la police judiciaire” (DPJ) eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena momba ny fitoriana napetraky ny ministeran’ny fambolena, manoloana ny fidirana antsokosoko tao amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana dia olona folo no voatonotonona ho tompon’ny tany sy tompon’heloka. Continuer la lecture
EPP MAIBAHOAKA: Ho ezahina tanterahina ny fanirian’ireo mpianatra
Havadika ho azo tsapain-tanana. Nitafa niaraka tamin’ireo mpianatry ny EPP Maibahoaka Ivato ireo tomponandraikitra ao amin’ny Orange Madagascar, androany 24 janoary 2020. Continuer la lecture
GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina
Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority » (Dera Energy) hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Continuer la lecture
MPAMPIANATRA CEG ANTANIMENA : Mangataka amin’ny tompom-bola hanazava
Tsy mety tapitra ity resaka « panier garni » sy ny tontolony ity. Mahitsy ny tenin’ny mpampianatra sy mpandraharaha eny amin’ny sekoly CEG Antanimena ny 14 Janoary 2020. Continuer la lecture
STARTIMES: Handefa ny Euro 2020 sy ny Emirates FA Cup ary ny FA Community Shield
Manome ny tsara indrindra amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Tafakatra 30 tapitrisa amin’ny firenena 37 ny mpampiasa ny Startimes. Anisany nahatonga ity televiziona nomerika ity nahazo vahana teto Afrika io tarehimarika io. Continuer la lecture











