Auteur R Nirina


GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.


Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny  lahatsoratra   miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny  seha-panjakana  isan-tsokajiny ny  fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty  ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture


FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.


Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123.  Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture


OMS : Mamolavola tondro zotra hisorohana ny fiparitahan’ny pesta.


“Mbola mitohy ny ady na dia nandresy tamin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta”.  Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta mifindra amin’ny alalan’ny parasy na “bubonique” ny eto Madagasikara. Amin’ny volana aprily 2018 any vao hifarana izany. Ho fanamafisana ny fifehezana sy fisorohana azy ity, nanao jery todika ny asa vita nandritra ny firongatry ny pesta “pulmonaire”  izay nahafaty Malagasy maro ny Fianakaviambe manerantany  ho an’ny fahasalamana (OMS). Continuer la lecture


ORANGE MADAGASCAR: Manome lanja ny fahasalaman’ny mpiasa.


Hanampy ny fikambanana misahana ny olona tra-pahasembanana ny “application ellomi”. Ahafahana mamantatra ny toe-batan’ireo manana fahasembanana ara-batana, ara-tsaina ity application vaovao navoakan’ny orinasa Orange ity. Tsy ny fahasembanana hita maso ihany no azo ampiasaina ny “ellomi” fa ahazoana vaovao ara-potoana ny toe-pahasalaman’ny olona iray ao anatin’ny fivoriana na toeram-pisakafoana… ihany koa izy ity. Continuer la lecture