Auteur R Nirina


FAMATSIAM-BOLA: « Fanampiana hanandevozana »


Miverina amin’ny mpamatsy vola ny 60 % ny vola nindramina ankoatra ny famerenana ny vola iray manontolo miampy ny zana-bola. Nambaran’ny mpahay toekarena, Roger RALISON fa ny mpamatsy vola ihany ny mividy ny fitaovana ilaina na ny orinasa vahiny miara-miasa aminy no mahazo ny tsena amin’ny fanatanterahana foto-drafitra asa amina tetikasa iray. Ny 40 % fotsiny no anjaran’ny firenena Malagasy izay mpangataka fanampiana. « Fanampiana hanandevozana ny mitranga eto Madagasikara fa tsy fanampiana mitondra fampandrosoana. Raha tokony ny mpandraharaha Malagasy no tokony hahazo tombony amin’ny tetikasa iray, ireo vahiny indray no migoaka ny tombontsoa amin’izany.

Boka trosa

Tsy miantraika mivantana amin’ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsiam-bola. Nambaran’i Profesora nandritra ny anterivava natao azy fa tokony ny sehatra fototra sy ny faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. « Mankasitraka ny fanamboarana foto-drafitra asa toy ny hopitaly, lalana, tetezana, sekoly… ny tenako saingy mbola laharam-pamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany…teraka ny famoronan’asa, miditra ny vola vahiny amin’ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Zava-mitranga amin’izao anefa tototry ny trosa ny fitondram-panajakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran’ny entana avy ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.

Nirina R.

Horonan-tsary


MASOIVOHO AMERIKANA: Mitazona fahatokisan’ny mpifidy ny tamberinandraikitra


 « Tsara tantanana ny fanjakana rehefa misy ny tamberinandraikitra », hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara, Robert Yamate nandritra ny fampahafantarana tamin’ny ofisialy ny boky torolalana « SOSA » momba ny tamberinandraikitra natao ho an’ny olom-pirenena sy ny horonantsary  mitantara ny fanamby ataon’ny  tanora eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny tamberinandraikitra. Continuer la lecture


TETIKASA LAMINA : Tombony ho an’ny manana olana ara-pivezivezena


Mbola hitohy ny tetikasa fanampiana ireo olona tra-pahasembanana sy ireo manana olana ara-pivezivezena. « Na dia tapitra aza ny tetikasa Lalan-jotra Miaty ny Namana (LAMINA) izay iantsorohan’ny ONG Lalana, hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny olona sembana izahay hanohizana ny fitsinjovana ireo sembana sy manana olana ara-pivezivezena amin’ny fampiasana ny fitateram-bahoaka », hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Continuer la lecture


ADY AMIN’NY PARAKY SY SIGARA : Hahazo famatsiam-bola i Madagasikara


600.000 ny olona maty vokatry ny setroka sigara maneran-tany. Mitovy lenta amin’ny mpifoka sigara ny loza mihatra amin’ireo olona manodidina ny mpifoka iray amin’ny toerana mihidy na mifefy. Nohazavain’ny Talen’ny Ofisy nasionaly miady amin’ny paraky (OFNALAT), David RAVELOJOELIANDRIAMBE fa miteraka homamiadan’ny fitaovam-pisefoana sy mitarika fahafatesana ny fifohana sigara sy setroka sigara. Continuer la lecture


FJKM : Tsy afa-misaraka amin’ny tantaram-pirenena ny fiangonana


Ny volana Aogositra 2018 ny ivon’ny fankalazana ny jobily faha-50 taona ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Any Toamasina no hanantanterahina izany. Tian’ny komity mpikarakara ny faha-50 taonany FJKM sy ny ny fankalazana faha-200 taona nahatongavan’ny « London Missionary Society » (LMS) ampitaina amin’ny mpino FJKM sy ny vahoaka Malagasy fa tsy fanaovana fihetsiketsehana fotsiny ihany ny fankalazana ny jobily fa mila iainana sy ampiharina ny hevitra fonosiny. Continuer la lecture