Loza mihatra amin’izao tontolo izao ny fahasimban’ny tontolo iainana. Miezaka ny rehetra ny tokony atao amin’ny fomba afahana mikajy izany. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
CHAN: Vonona ny handresy ny Barea
Nampahafantarina androany 26 jolay 2019 ny lisitr’ ireo mpilalao 23 mandrafitra ny Barea hifandona amin’ny ekipam-pirenena mozabikanina, etsy Mahamasina ny alahady 28 jolay 2019 ho avy izao. Raha ny vaovao voaray dia hisokatra amin’ny 7 ora maraina ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’io fotoana io. Nivelatra ny klioba 16 manerana an’i Madagasikara no nangalàna ireto mpilalao ireto hoy ny mpanazavatra, Maître Franklin. Iray volana no nanaovan’ny ekipam-pirenena malagasy ny fanomanan-tena ka efa vonona na ara-tsaina na ara-batana na ara-teknika izy ireo hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny CHAN ny alahady izao io. Nampanantena ny kapiteny Ando fa vonona handresy ny ekipam-pirenena mozabikanina ny Barea ary hiezaka hiaro ny voninahitr’i Madagasikara tahaka nataon’ireo Barea tamin’ny CAN 2019 tany Egypte.
Ireto avy ny anaran’ireo mpilalao:
- LEDA (Cnaps Sport)
- JOMA (AS Jet Mada)
- NINA (AS Adema)
- TOBY (Cnaps Sport)
- THEODIN (Fosa Juniors)
- PATRICK (Ajesaia)
- DA-TSIRY (AS Adema)
- GAUCHE KELY (Zanakala)
- BERAJO (Zanakala)
- ROJO (Ajesaia)
- RICHARD (3FB)
- ELEFONI (Fosa Juniors)
- DAHERY (Fosa Juniors)
- LALAINA (Cnaps Sport)
- LOLODY (Fosa Juniors)
- BAGGIO (Fosa Juniors)
- ANDO (Cnaps Sport)
- TSITO (AS Jet Mada)
- ARNAUD (Cnaps Sport)
- FREDERIC (Costm)
- ELIO (Zanakala)
- MIHARY (AS Jofama)
- ROMY (Tia Kitra)
Marihina fa amin’ny herinandro ambony ny lalao miverina
Nirina R.
FIFIDIANANA FILOHA SY KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF: Vao tsy manomboka akory ny lalao dia efa misy manao hosoka
Manana telo andro ireo kandida nametraka antonta-taratsay amin’ny fifidianana ho filoha sy komity mpanatanteraky ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) hanaovana fampakarana raha tsy mahafa-po azy ny fanapahan-kevitra navoakan’ny komity mpikarakara ny fifidianana. Ao anatin’ny dimy andro kosa no handinihan’ny « Comité de normalisation » (CDN) izany ka aorian’izay vao havoaka ny lisitry ny kandida raikitra, izan hoe ny 01 aogositra 2019. Omaly 23 jolay 2019 tamin’ny 4 ora hariva no nampahafantarin’ny CDN ny lisitra vonjimaika an’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana atao ny 24 aogositra 2019, any Ifaty Toliara. Raha ho an’ny kandida ho Filoha dia enina no nanatritra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ny dimy tamin’ireo nahazo taratasy avy amin’ny CDN fa nahafeno fepetra ny antonta-taratasin’izy ireo.
Ireto avy ny anaran’izy dimy mirahalahy voatazona: Andriamiasasoa Doda, Mohamad Abdillah, Arizaka Rabekoto Raoul, Rasoamaromaka Herilalaniaina ary Rakotomamonjy Neypatraiky. Tsy nanara-dalàna kosa ny faha-enina satria telo andro tao aorian’ny fetr’andro hanaterana dosie izy vao tonga nanatitra ny azy. Fanampin’izay tsy nahazo fankatoavana tamin’ny avy amin’ny filohan’ny ligy telo ny tenany.
Ho an’ny komity mpanatanteraka indray dia 37 ny kandida ka ny 30 tamin’ireo no voatazona.
Ny fito ambiny tsy nahafeno ny fepetra. Tao no tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny ligy roa. Nisy tamin’izy ireo no nampiasa fitombokase sy sonia hosoka », hoy filohan’ny CDN, Atallah Béatrice. Ireo kandida avy any amin’ny faritra Ihorombe no nahatrarana izay. Rehefa nojerena ny fitombokasen’ny filohan’ny ligy dia ilay taloha no nipetaka tamin’ny antontan-taratasy kanefa efa niova io fitombokase io ka izay no nahafantarana azy fa hosoka, hoy hatrany ny filohan’ny CDN. Tsy hitory kosa anefa ny CDN fa anjaran’ny ligy voakasika ny manao ny fitorina raha tiany ny hanao izany.
Marihina fa iray no ho filohan’ny FMF ary 10 kosa ny komity mpanatanteraka. Ny CDN no hiantoka ny fandaniana rehetra ho an’ny mpifidy dia ny filohan’ny ligy miisa 22.
Nirina R.
ANTENIMIERANDOHOLONA : Zokin-dRafahaleovantena
Raha oharina amin’ny olona dia efa olon-dehibe nahazohazo taona ny Antenimierandoholona. 60 taona katroka no nisian’ ity andrimpanjakana ity teto Madagasikara. Continuer la lecture
SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana
90 % ny olombelona no tsy mahafantatra akory hoe iza marina izy, inona ny tena tanjony amin’ny fiainana, raha fanadihadiana manerantany. Continuer la lecture
TEMPOLY ANATIROVA: Hifanesy handalo eny ireo fiangonana isan-karazany
Feno 150 taona ny nanorenana ny tranovato Anatirova Manjakamiadana. Nosokafana tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny sabotsy 20 jolay 2019 ny fanombohan’ny fankalazana. Continuer la lecture
KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao
Zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fividianana ireo vokatra ampiasaina amin’ny fikojakojàna ny endrika amam-bika (produits cosmétiques) hosoka. Continuer la lecture
LIONS CLUB INTERNATIONAL – DISTRICT 417: Mifanaraka amin’ny zava-misy ny fanampiana ny maha olona
Voafidy ho governoran’ny Lions Club International, District 417 Ny Fanja Rakotomalala. Nandritra ny kongresin’ny Lions Club International natao tany Milan tamin’ity volana jolay 2019 ity no ahafahany mitàna io andraikitra io ao anatin’ny taom-piasàna 2019-2020. Continuer la lecture
MARIKA TCL: Hahatongavana any Egypte amin’ny lalao famaranana ny CAN 2019
Mitohy hatrany ny fahatanterahan’ny nofinofy noho ny fandraisan’anjaran’i Barea amin’ny CAN 2019. Mpankafy baolina kitra sy Malagasy mpanohana ny ekipam-pirenena iray indray no hisidina ho an’ny Egypte, hanaraka ny lalao famaranana. Continuer la lecture
BAOLINA KITRA MALAGASY: Voafidy ny filohan’ny ligin’i Bongolava
Antsapaka no niafaran’ny fifidianana ny filohan’ny ligin’i Bongolava eo amin’ny taranja baolina kitra. Notanterahana tany Tsiroanomandidy omaly Alarobia 10 Jolay 2019 ny fifidianana izany filohan’ny ligy izany. Continuer la lecture











