Socio-eco

SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana


90 % ny olombelona no tsy mahafantatra akory hoe iza marina izy, inona ny tena  tanjony amin’ny fiainana, raha fanadihadiana manerantany. Hany ka manaraka ny onjam-piainana fotsiny na dia tsy mitarika any amin’ny fahombiazana aza. Ao ireo manontany tena fa nahoana no tsy mahomby mihitsy amin’izay rehetra atao. Anisany ho valiana mandritra ny seminera “INVINCIBLE” ho tanterahina ny  sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay 2019 eny amin’ny Arena Ivandry io fanontaniana io. Ho resahina ao anatin’ny roa andro ny fomba hahombiazan’ny olona iray amin’ny lafiny rehetra. Nambaran’ny mpanorina ny MasterLife, Rajaona Toky fa mifototra amin’ny fampivoarana ny maha olona no antom-pisian’ny orinasany. Hiompana amin’ny fahatokisan-tena sy filaminana anaty ny seminera andiany voalohany ity ka ho resahana amin’ny andro voalohany ny hoe: fahavalon’ny fahombiazana ny tahotra, ahoana ny hamadihana azy ho hery. Ny famohazana ny hatsarana ao anaty kosa no ho velabelarina amin’ny andro faharoa.

Ankoatra izany, hampahafantarina mandritra ny seminera ny teknika  hahombiazana amin’ny lafiny fandraharahana. Araka ny fanazavan’ity mpampihatra ny teknika fampivoarana ny maha olona, “Programmation Neuro-Linguistique” (PNL) ity fa  misy singa maromaro mifanjohy no mandrafitra ny fahombiazana:  ny vola, ny asa,  ny fitiavana, ny tokantrano ary mila jerena akaiky ireo.  Nohamafisiny fa 80 % miantoka ny fahombiazana ny toe-tsaina, avy amin’ny fahaiza-manao kosa ny 20 %.  Mila manana vina, mijery lavitra, manana fahasahiana, manana fahatokisan-tena ihany koa raha te hahomby, hoy ny mpanorina ny orinasa mpamboly toe-tsaina te hivoatra.

Nirina R.


One comment on “SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana

  1. Pingback: SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *