Varavarana hidirana amin’ny sehatry ny ambaratonga ambony ny mari-pahaizana BAC. Nohamafisin’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY fa tsy ezaka farany ny fanadinana bakalorea. Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra tafita amin’io dingana io no antony nanaovana ny salon de l’ISPM, vita BAC. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
TSENA-BARO-PANJAKANA: Nanaja ny 80% ny fepetra takiana ny Ministeran’ny fanajariana ny tany.
Nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ny fanarahana ny dingana rehetra amin’ny tsena-baro-panjakana ny Ministeram-panjakana miadidy ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary fampitaovana (M2PATE) ny taona 2016, araka fitsirihana nataon’ny “Commission Nationale des Marchés » na CNM. Continuer la lecture
VIMA: Hanamboatra ivon-toerana hampiofanana arak’asa.
Ankoatra ny fiarahamiasa ny orinasa amin’ny Masoivoho ny Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara, resy lahatra amin’ny tolona nataon’ny Nelson Mandela ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vision Madagascar (VIMA), Zouzar BOUKA. Nambarany fa nitolona ho an’ny fahafahana, niady tamin’ny fanavakavaham-bolo-koditra ity olomanga ity. Ho famelomana hatrany ny tolona nataony, anisany nanatrika ny fankalazana ny andro natokana ho an’ny Nelson Mandela ny tenany, ny 18 jolay 2017. Continuer la lecture
FARITRA ANALAJIROFO: Ny 11 jolay ny fanokafana ny taom-piotazana.
Anisany fampidiram-bola an’ny faritra Analajirofo ny fanondrana lavanila mankany ivelany. Misy ny ampahany vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny faritra sy ny kaominina. Manana ny enti-manana hampandrosoana ny tanana ny faritra fa indrindra kaominina. Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR: Mampandroso ny firenena Malagasy ny fisokafana amin’izao tontolo izao.
Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy, misokatra amin’ny firenena manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. Tanjona amin’izany ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Mbola nohamafisiny ny Filoha, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany izany nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-57 ny fahaleovantena Malagasy, natao teny Iavoloha. Continuer la lecture
LEHIBEN’NY FARITRA ANALAMANGA : Tsy ny mpampihorohoro no am-pihemotra tsy hanao fety.
Efa mandray ny andraikiny ny fanjakana amin’ny fanamafisana ny filaminana rahampitso Alatsinainy 26 jona 2017 amin’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. « Tsy ny mpampihorohoro no am-pihemotra antsika tsy hanao fety rahampitso », hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga, RAKOTONANAHARY Ndratonomena. Continuer la lecture
ISPM: Fandrafetana sahady ny ho avin’ny mpianatra ny fikarohana.
Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY. Continuer la lecture
ISPM: Efa miasa avokoa ireo mpianatra nahazo ny Master, andiany kanto.
Efa samy misahana andraikitra amin’ny orinasa samihafa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny ISPM, roan-jato isa nahazo ny diplaoma Master. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana dimy ambin’ny folo no « informatique et télécommunication, tourisme, agriculture et élevage droit, biothèque… » ity andiany Kanto ity. Nambaran’i Aimée RAZAFINDRAHETY, talen’ny fitantanana ny “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ISPM Continuer la lecture
TAFIO IZY FA AZA ANGORAHANA.
Hiara hientana isika hanafy ireo sahirana amin’ny Alarobia 21 Jona 2017. Ny tsirairay no mahita ny olona hanaovany azy. Fitafiana ihany no atao fa tsy sakafo na vola, toy ny lamba, kiraro, bodofotsy… Continuer la lecture
INTERVIEW Georges Brichler
Georges Brichler, une grande figure humanitaire connue dans la capitale malgache, visite fréquemment le pays. Son dernier passage date de mai 2017 pour fêter ses 78 printemps avec ses protégés du Foyer du Cœur. Il reviendra en décembre pour honorer de sa présence l’inauguration du nouveau bâtiment d’Ambatolampy Tsimahafotsy, ainsi que les 11 années d’existence de Foyer du Cœur. Ce Lorrain Alsacien (au gabarit rainboot) vivant dans le Midi, au Sud de la France, a accordé une interview exclusive à Délire Madagascar. Continuer la lecture





















