Nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ny fanarahana ny dingana rehetra amin’ny tsena-baro-panjakana ny Ministeram-panjakana miadidy ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary fampitaovana (M2PATE) ny taona 2016, araka fitsirihana nataon’ny “Commission Nationale des Marchés » na CNM.
Voamarika tamin’ny fitsirihana nataon’ity farany tamin’ny taona 2014 sy 2015 fa nahitana ny mangaarahara ny Sampandraharahan’ny teti-bola eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny teti-bola, ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ary ny Ministeran’ny paositra. “Nanaja 100% ny fitsipika tokony ho arahana ireo tomponandraikitry ny tsena-baro-panjakana amin’ireo sampandraharaham-panjakana ireo”, hoy ny Filohan’ny CNM.
Ny fanajana ny fitsipika mifanaraka amin’ny kaodin’ny tsena-baro-panjakana toy fampitoviana ny fikirakirana ny dosie ny kandida, ny fangaharaharan’ny dingana rehetra ny sivana nanaovana ny fitsirihana. Rehefa natao izany teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2015, fantatra fa tsy nanaraka izany mihitsy ny tomponandraikitry ny Ministeran’ny asa vaventy, ny “Air Madagascar”.
Sazian’ny lalana ny izany fanarahan-dalana izany. Ao anatin’izany ny tsy fahazoana ny mikirakira ny tsena-baro-panjakana intsony.
Nirina R.