Voalohany i Madagasikara no mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny paositra. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-dimy momba ny « conférence des plénipotentiaires de l’Union Panafricaine des Postes (UPAP) ny filohampirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina omaly 26 jolay 2018 teny amin’ny CCI Ivato. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
DAVIDA MAITSO KELY: Tafiala tao an-davaky ny liona
Nanazava ny antony nialàny tao amin’ny antoko politika HVM ny ministry fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. “Efa feno ny fepetra ka tsy mitovy hevitra intsony”, hoy i Paul Rabary nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018. Continuer la lecture
TRONDRO AN-DRANOMAMY: Miroso amin’ny matihanina ireo mpivarotra
Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny fahadiovana manomboka eny amin’ny fakàna azy ka hatrany amin’ny fivarotana azy toy ny trondro an-dranomamy. Noho izany mendrika ny trondro madio ny mpanjifa. Continuer la lecture
« Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » : Manohana an’i Pasitera Mailhol
Nahita ny tetikasan’i Pasitera Mailhol ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » (SAINA). Hitan’izy ireo fa ity Pasitera ity no afaka hanome vahaolana maharitra amin’ireo fitakiana isan-karazany ataon’ny sedikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Continuer la lecture
« The Creative Life » : Roa ny nahazo loka
Maro ny lalao azo natao nandritra iny fifaninana baolina kitra maneran-tany iny. Anisan’ireo nikarakara lalao ho an’ny mpanjifa ny fahitalavitra « The Creative Life » ( TCL ) ny «Uditec» . Continuer la lecture
TAMBOHOBE: “Tapa-tenda ny ray aman-dreny”
Feno 15 taona ny fikambanana Tambohobe na Tanora Mbola Ho Beazina. Ho fanamarihana izany tsingerin-taona niforonany izany dia mikarakara lalao “rugby” ravahina fampisehoana vakisôva ny fikambanana. Ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy, amin’ny tanora, amin’ny vehivavy no fototra nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Raha ny tantara, niainga teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborin-tany faha-dimy no niforonan’ny Tambohobe. Faritra mena amin’ny lafiny herisetra io fokontany io. “Ny fanolanana ankizy sy tovovavy no tena mpitranga teny an-toerana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Willy Rabenjamina. Lalao baolina lavalava roa lehibe no hitranga ny 29 jolay 2018. Ny 17 aogositra 2018 kosa ny fotoam-pivavahana. Eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny famaranana ny fankalazana, ny 02 septambra 2018.
Vakisôva
Nijoro ny fikambanana hiady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny zaza sahirana an-tsekoly no andraikitra noraisin’ny fikambanana. Ankoatra izany, namelomaso ny “vakisôva” ny Tambohobe. Amin’ny alalan’ity zava-kanto ity no hanabeazana ny tanora. “Sady fampatsiahivina ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ny vakisôva amin’ny maha gazety an-kira azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Tambohobe, Rivoson Théogène. Nambaran’i Myriam, ramatoa mpiangaly ny sôva fa fanaovana ampamoaka ny zava-misy amin’ny alalan’ny hira ny vakisôva. Fitaovana iray hananarana ny ankizy sy ny tanora ihany koa ity zava-kanto ity. “Noho ny fahasahirana mianjady amin’ny tokantrano dia ny zanaka indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Tapa-tenda ny ray aman-dreny raha mananatra ny zanany. Raha mba manam-bola kely ny zanaka dia izy no maniraka ny ray aman-dreny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy anefa izany satria natao hanaja ny ray aman-dreny ny zanaka”, hoy i Myriam. Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra sy hampiroboroboana ny soatoavina Malagasy ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taona ny Tambohobe.
Lynda A.
Fifanankolazana ara-barotra: Hohamafisina mandritra ny FEIOI
Mpisehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miasa amin’ny tontolon’ny varotra mahery ny 200 handray anjara amin’ny « forum économique des îles de l’Océan Indien » (FEIOI). Continuer la lecture
Fitrandrahana fasi-mainty: Very fanahy ny mponina
Niakatra teto Antananarivo renivohitra mihitsy ireo solontenan’ny fikambanana mpamboly sy mpiompy ary mpanjono manana olana amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ao Fort-Dauphin, ny zoma 20 jolay 2018. 7660 ny isan’ny mpikambana ka avy ao amin’ny kaominina Taolagnaro, Ampasy-Nampohana sy Mandromondromotra izy ireo. « Tsy tanteraka avokoa izay filoha lefitry ny fikambanana. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly ny CRAAD-OI mpiaro ny zon’olombelona, Zo Randriamaro fa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara fa mandoa onitra ny orinasa mpitandraka raha misy olona mampiasa ny tany hanaovana fitrandrahana.
Tsy afa-manoatra
Rehefa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fikambanan’ny mpamboly sy mpiompy niaraka tamin’ny QMM dia 3000 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no aloan’ny orinasa mpitrandraka amin’ny tansaha. Nilaza anefa Mahazomanana Alain, solontenan’ny fikambanana fa 500 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no naloan’ny QMM ary vao indray mandeha monja ny QMM no nandoa io vola io tamin’ny taona 2016. Nidina an-dalam-be nanao fitokonana ireo tantsaha nitaky ny ambiny ny vola ny faran’ny volana mey lasa teo. Olona efatra naman’izy ireo no nosamboran’ny mpitandro ny filaminana. Nahazo sazy miantona heritaona izy ireo ary nasaina nandoa onitra iray tapitrisa Ariary avy. Ny Solombavambahoaka voafidy taoTolagnaro, Jerry Hatrefindrazana aza efa nandefa taratasy tany amin’ny CRAAD-OI fa lany hevitra tanteraka manoloana ny fitrandrahana fasi-mainty. Mitaraina ireto tantsaha ireto amin’ny tsindry hazolena mianjady amin’izy ireo.
Lynda A.
Trano vaovao an’ny CNTEMAD: Namboarina tamin’ny alalan’ny volany manokana
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina 19 jolay 2018 ny trano vaovao an’ny ivon-toeram-pampianarana fampitain-davitra CNTEMAD. Continuer la lecture
« International Champions Cup »: Hahita ny lalao rehetra i Madagasikara
Lasa ny mamba misosoka ny voay. Tao aorian’ny nahavitan’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny lalao baolina kitra tonga indray ny « International Champions Cup » (ICC). Continuer la lecture





















