Catégorie Sport



PASSÉ GLORIEUX DE MADAGASCAR En attendant le rêve Barea et Maki


Il est permis de rêver sans en être coupable. A notre connaissance la pétanque et la boxe française savate sont les seules disciplines sportives auxquelles Madagascar a disputé pour les  championnats mondiaux. Pour les sports collectifs, nous n’avons atteint ces stades extrêmes que dans le basket ball féminin il y a de cela 50 ans.

Le retour de l’équipe féminine de basket ball avec la « coupe » africaine à Antananarivo avait  entraîné une ruée. C’était à Lomé Togo que la qualification s’est disputée à l’issue de laquelle Madagascar s’est vu attribuer le titre de représentant de l’Afrique pour le championnat mondial au Brésil. Continuer la lecture


NY LASA NAMIRATR’I MADAGASIKARA : Mandra-pandrevirevy ny Barea sy ny Maki


Azo atao tsara ny manonofinofy ary tsisy mahadiso an’izany. Raha tsy diso izahay dia ny taranja kanetibe (pétanque) sy ady totohondry boxe française savate ihany no mbola nisy fandraisantsika Malagasy anjara tamy sehatra famaranana fiadiana tompondaka eran-tany. Ny teo amy tontolon’ny taranja iombonana na sport collectif, dia tsy mbola tafakatra tamin’izany isika, afatsy teo amy taranja basketball vehivavy, efa 50 taona mahery lasa izay.

Niteraka robiroby teto Madagasikara tokoa tamin’izany fotoana izany ny nahazoan’ny ekipa nasionaly malagasy ny amboara afrikana taranja basketball zazavavy, ka nitondrany izany « coupe » avolenta izany nody teto Antananarivo. Tany Lomé Togo no niadiana izany ka nahazoantsika voalohany ny tompondakan’i Afrika. Vokatr’izany, dia Madagasikara no solontena afrikana niady izay ho tompondaka eran-tany natao tany Brésil.

Raha tsy diso ny fitadidianay, dia laharana faha 13 /13 tamin’ireo nandray anjara ny Malagasy, izany hoe farany. Tsy nanafoana ny fiderana an’ireo tovovavy zakan’i Gasikara mendrika ireo izany. Tsy nahasakana ny fientanam-pon’ny vahoaka malagasy tsivakivolo koa, fa tena nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ireo.

Mandalo eto Madagasikara i Raberanto Nicole, iray tamin’ireo nandrafitra ny ekipa nasionaly tany Brésil. Mila ravinahitra atsy Saint-Denis izy, ary hamangy ny zanany any Toulouse. Mitsidika ny mpiray tampo eto an-drenivohitra, ary anisan’ny tonga nanotrona azy ny mpiara-nilalao tany Brésil Rabakoarivelo Achille. Samy nilalao tao amy CASOI izy mirahavavy ireo ka tsy mifankafoy. Isaorana manokana i Nicole nanaiky ny anterivava natao ho an’ny Délire Madagascar. Continuer la lecture