Hahita vokatra. Sarobidy ho an’ny « parcours formation d’enseignants d’anglais » ao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha ny fanomezana avy amin’ny University Hourigan tamin’ny alalan’ny programa “English Language Fellow”, iarahana amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
KINTANA AKADEMIA: Hanangana ivon-toerana lovain-jafy ho an’ny baolina kitra
Mifanindran-dalana amin’ny famolavolana ireo mpilalao handimby ny Barea. Niara-teraka tamin’ny “Kintana Akademia” ny “Alefa Next Generation” ho famporisihana ny tanora malagasy sy hampidirana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny baolina kitra matihanina. Continuer la lecture
MEDAIR: Nanavotra aina ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous »
Avotra ny mpiray monina amin’i Tsiveregna.Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 febroary 2020 teny Antaninarenina ny « réveillons l’humani-terrien en nous ». Continuer la lecture
GEM : Hitondra fanatsarana ho an’ny sehatra tsy miankina ny filoha vaovao
Fanamafisana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Lany ho filoha vaovao hitantana ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) mandritra ny roa taona Rajaona Thierry. Continuer la lecture
HVM: Natao inona ireo fitaovam-piadiana raha tsy lany Prezidà Rajoelina Andry?
Tsy fanonganam-panjakana fa aro fanina. Nandritra velan-kevitra momba “ny fanjakana tan-dalàna antoky ny fampandrosoana”, notontosaina ny 24 febroary 2020 teny Anosy, no niresahan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ireo fandikàn-dalàna nataon’ny fitondrana tarihiny ny Prezidà Rajoelina Andry tamin’ny taona 2019. Continuer la lecture
LALAO BE CONNECT: 120 Go ny bonus zaraina isan-kerinandro
Anarivony ireo mpampiasa ny tolotra be connect no nahazo loka. Tao anatin’ny fito herinandro, ny 16 desambra 2019 ka hatramin’ny 02 febroary 2020 dia mpampiasa Be connect 160 isan-kerinandro no nifampizarana “connexion internet” 120 Go. Continuer la lecture
RAZAKA MPAMPIHAVANA: Nitangoronan’ireo namany
Teny amin’ny trano fonenan’i MAMAFI Kissinger, tamin’ny asabotsy voalohan’ny volana febroary 2020 no nisehoan’ity fiarahana ity. Ny hoe MAMAFI dia Malagasy Mankafy Fiainana. Tsy fifampiarahabana tratry ny taona no anton’ny fety na dia mbola fotoana fifanaovana izany aza izao. Tsy fihaonan’ny tantsambo tranainy koa na dia maro tamin’izy ireo aza no tsikaritra teny. Tsy fihaonan’ny mpianakavy, satria azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny fianakaviana hita teny.
Fihaonan’ny samy mpinamana fotsiny
Ny tena marina dia fiaraha mifaly sy fampihaonana nataon’I MAMAFI Kissinger ho an’ireo namany amin’ny sehatra samihafa. Ankoatr’ireo izay efa voatanisa etsy ambony dia tao koa ny mpiara-miombona antoka aminy eo amin’ny sehatry ny asany ao amin’ny CFM. Tsy diso anjara tamin’izany ny sakaiza mahatoky ao amin’ny haino aman-jery, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Raha fintinina dia ireny tapaka sy namany ireny no tiany ho hita miaraka ka ampifankalalaina koa sy hananany fifandraisana eo amin’izy samy izy. Olona tsy nila fampihavanana akory ireo, fa tiany hanana fifandraisana eo amin’izy samy izy, hifamatotra ho mpinamana vaovao.
Toy ny korana rehetra dia nisy ny fiaraha mizara ny manta sy ny masaka. Tsy toy ireny amin’ny hotely lehibe fisakafoanana ireny akory, fa sakafon’ny mpianakavy tsotsotra ihany. Vary sy laoka fotsiny, ary na dia ny sotrobe fandoharam-bary sy fandoharan-daoka aza dia tsy nisy mpitantana manokana fa samy naka izay metimety aminy tao anaty vilany. Nisy ny fiaraha miala hetaheta araka izay tian’ny tsirairay sy zakany, tsy nisy ny mofomamy mahazatra. Ny voankazo koa no nanaranam-po.
Sarim-pianakaviana no nalaina alohan’ny hisian’ny sasantsany izay tsy maintsy niainga alohaloha, ka hitanao eto ny soritry ny fifaliana, ny hamaroan’ny olona, ary angamba koa ny hafanan’ny andro izay nanomboka nidanika.
Raha samy mitondra namana hafa koa izy ireo amin’ny manaraka dia ho feno ny tanàna
HAKANTO CONTEMPORARY: Mamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina
Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny zava-kanto sy ny kolontsaina. Raha tsy hiresaka afa-tsy i Chine isika dia anisany nampivoatra haingana ity firenena ity ny fanomezana lanja ny kolontsaina niandohany. Tao aorinan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana Hakanto Contemporary eny Café Mary, Galerie Alhambra, Ankadimbahoaka dia nisy mpianatra amin’ny EPP avy eny amin’ny kaominina Ambohijanaka tonga nitsidika ity fampirantina ity. Continuer la lecture
LETTRE A COLLIN MAURICE: Félicitations d’un journaliste ami
Ayant reçu ton mail en cette soirée du 07 février 2020, je ne trouve ni les mots ni les expressions suffisants pour traduire les sentiments qui m’habitent en ce moment. Je vais cependant essayer de griffonner ce que j’ai dans le cœur, tu pardonneras mes maladresses dues aux fortes émotions.

Serait-ce un support biométrique ?
Profondément touché de l’honneur dont tu as été couronné le 06 février dans le salon des Boiseries aux Invalides par l’Amiral Alain COLDEFY, Président de la Société des membres de la légion d’Honneur, SMLH, je t’adresse mes plus fraternelles félicitations. C’est une décoration qui n’est que trop méritée pour toi.
Je peux l’affirmer en témoin des tes engagements dans les « initiatives d’entraide et de solidarité visant à renforcer la cohésion nationale et le lien social » dixit l’Amiral Alain COLDEFY. A partir de tes actions à Madagascar qui ne datent pas d’hier et dans une panoplie de domaines, je ne peux pas dire le contraire.

L’Amiral (2s) Alain COLDEFY de la Marine nationale française ayant remis le diplôme à Maurice COLLIN devant la docte assistance
Pour ne citer que la distribution de dictionnaires, Madagascar n’a pas été en reste et tu nous as toujours dotés de ceux en dernière date. A partir des nombreux voyages que tu as effectués dans notre pays, la pauvreté due à l’illettrisme et l’analphabétisme ici n’est plus à te décrire.
Tu n’y as pas été insensible et tes donations régulières en dictionnaires sont fortement appréciées. Même le CFM a bénéficié de ces dons.
Maurice, tu as été lauréat pour la quatrième fois dans la Remise de dictionnaires pour lutter contre l’illettrisme dans la « Francophonie du Sud ».
Nous, Malgaches, sommes infiniment reconnaissants et fiers de toi et partageons pleinement ta joie. Tu es des nôtres.
A Madagascar nous avons un proverbe qui dit, je traduis littéralement : « Nous sommes comme la main gauche et la main droite : si l’une vient à être coupée, la douleur est commune ». Il ne s’agit pas ici de douleur évidemment pour le cas présent, mais l’effet est le même.
FELICITATIONS MON FRERE !
Razaka Oliva
HAKANTO CONTEMPORARY: Hamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina
Manaitra ny talenta miafina. Misantatra ny Hakanto Cotemporary ny fampirantiana mitondra ny lohanteny hoe: “Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 06 febraory 2020 teny Ankadimbahoaka izany. Continuer la lecture











