Auteur R Nirina


VADIN’NY BEN’NY TANANA ALASORA SY IREO RENY MALALA-TANANA: Nanao asa sosialy teny amin’ny EPP Mahitsy Alasora


Noho ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy, nizara vatsy ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo mpampianatra  ao amin’ny EPP Mahitsy Alasora ny vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora, Razaka Mireille sy ireo reny malala-tanana ary ny fikambanana “reny sy ny zaza” na “association mère et enfant”. Continuer la lecture


ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy


Manana ny mampiavaka azy ny POESAM 2020. Notanterahina  ny  18 jona 2021 teny Ankorondrano ny fizarana ny amboara sy ny loka ho an’ireo tetikasa malagasy mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy mendrika  indrindra  ka nandray anjara tamin’ny fifaninanana POESAM (Prix  Orange  de l’Entrepreneur Social  en Afrique et  Moyen-Orient ), taona 2020. Continuer la lecture


GREEN YELLOW MADAGASCAR : Les travaux d’extension de la centrale d’Ambatolampy vont démarrer en ce mois de juin 2021


Une réduction significative de couts de production de la JIRAMA. Dans le cadre de la promotion des énergies renouvelables et suite au succès de la phase 1, JIRAMA et GreenYellow Madagascar (GYM) ont conclu un accord portant sur l’extension de la centrale d’Ambatolampy afin de porter sa capacité de 20 à 40MWc ainsi que 5MWh de batterie. Continuer la lecture


ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Mitohy ny fananganana « village orange »


« Village orange » faha 27 ny eny amin’ny kaominin’ambanivohitry i Masindray. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 11 jona 2021 ireo fotodrafitr’asa mandrafitra ity « Village orange » eny Masindray ity. Vita tamin’izany ny fanavaozana ny sekoly fanabeazana fototra (EPP), ny fanamboarana tambohon’ny sekoly, « chalet » hialokalofan’ny mpianatra, nametrahana zaridaina, nasiana fitoeran-drano sy  toerana fanasana tanana ary paompy fatsakana. Ao anatin’ny « Village orange »  ny fanampiana ataon’ny orange solidarité ho fampitaovana ireo toerana mikarakara ny reny sy zaza. Noho izany dia nasiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ny toera-pitsaboana Centre de Santé de Base de niveau 1 (CSB I) ary ny Centre de Santé de Base de niveau 2 (CSB II) kosa dia nofenoina fitaovana isan-karazany.

Hevitra avy amin’ny ONG Taratra no nahafahana nanao izao asa izao fa ny orange solidarité Madagascar no nanantanteraka ny asa ho fanampiana ny mpiara-belona sy ny vehivavy. Tsy adino noho izany ny ONG Taratra fa nananganana trano nomerika ho an’ny vehivavy izay any Anjozorobe.

Marihana fa tonga nanolotra izao zava-bita izao ny filohan’ny orange solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma, ny ben’ny tanàn’i Masindray, Stela Marius Andrianomenjanahary, filohan’ny ONG Taratra, ny solotenan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny fanabeazam- pirenena ary ireo tomponandraikitra isan-karazany eny an-toerana.

Ra-Nirina