Auteur R Nirina


HETSIKA MIARAMILA TRANAINY : Tsy miombon-kevitra ny Tantsambo


Naresaka be ny fanambarana nataon’ny “ex-militaires” miomana handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy iza ireo efa ireo miaramila misotro ronono sy miaramila tranainy.
Tsy miombon-kevitra amin’izy ireo kosa anefa ny “ex-matafs” na “ex-marins” tao amy Tafika an-dranomasina malagasy, dia ireo Tantsambo tranainy izany. Malalaka ny tsirairay sy ny isam-batan’olona haneho ny heviny hoy izy ireo. Continuer la lecture


DFP: Voatery nahemotra ny dinika.


Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY.

Nosamborina ny namanay mpitarika ny Vona Soamahamanina, niaraha-nahita ny fandrarana akitsirano ny fivoriana nokarakarain’ny MMF, mahazo fandrahonana avokoa ireo rehetra mikarakara ny dinika. Etsy ankilany, tsy ilaozany ny mpikarama an’ady rehefa vory vahoaka, betsaka ny karamaina hanakorontana fotsiny ka mifototra any amin’ny mpitarika ny rihitra avy eo. Continuer la lecture


DINIKA HO FANAVOTAM-PIRENENA : Lalana_tokana hirosoana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara.


Madagasikara, malaza ho Nosy manan-karena. Indrisy anefa fa tsy migoka tanteraka izany ny vahoaka Malagasy. Manjaka ny kolikoly ary efa mananika ny lapa mihitsy aza. Mahazo vahana ny tsy maty manota. Eo ihany koa ireo manararaotra manampatra ny fahefany ka manondrana ny harena voajanahary toy sokatra, ny andramena izay niteraka resa-be mihitsy tato ato… Tra-tehaka ihany fa tsy hita izay nanjavonany. Manoloana izany indrindra no nametrahan’ny AFO Sendikaly fitoriana teny anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO). « Tafahoatra loatra ny kolikoly ataon’ireo olona ambony. Ataon’ny vahiny ampihimamba ny harem-pirenena. Nandeha daholo ny hetsika isan-karazany ho fitakiana ny tsy rariny. Nanampin-tsofina ny fitondrana ankehitriny. Nanampy trotraka ihany koa ny fandaniana ny lalan’ny asa fanaovan-gazety ».

Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY ( DFP )

Hijoro hatramin’ny farany ireo mpitarika ny hetsika « Dinika Ho Fanavotam-Pirenena ». Io dinika io ihany no ahafahana manarina ireo lesoka voalaza ireo. Mifampidinika avokoa n vahoaka manerana ny Nosy ka ho avoitra amin’izany ny olana misakana ny fampandrosoana sy ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Eo am-panomanana ny hetsika ny mpikarakara amin’izao fotoana izao.
Lynda A.

HORONAN-TSARY


EFA MITRANDRAKA IREO ALA AROVANA AO RANOMAINTY NY TAO DIDY!


Anterivava :

.

Tsy ny vahiny ihany no mandripaka ny harena voajanahary eto amintsika fa anisan’izany ihany koa ny mpiray tanindrazana mpanam-bola. Ny loza, manampatra ny maha manam-pahefana azy ireo mpitrandraka ka  manararaotra hoatran’ny banga mihomehy alina satria ao anatin’ny faritra arovana mihitsy no mitrandraka. Hita sy voamarina izany araka ny fanadihadiana lalina  nataon’ny mpanao gazety nahavita fiofanana momban’ny fiarovana ny tontolo iainana. Continuer la lecture


FOKONTANY AMBOHINAORINA: Voafitaka ve ny kaominina Sabotsy Namehana nanome alalana hanorina trano?


Raharaha mbola arahina eny amin’ny fitsarana ny ady tany ao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana. Efa misy ihany koa ny taratasy fanohanana avy amin’ny kaominina mandrara ny tsy hikitihana ilay tany mirefy 28 a. Omaly maraina  anefa nisy olona namelatra goailaka, namefy ny ampahan-tany izay nahitana mpitandro filaminana. Niady fototra izy ireo avy eo ary natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany. Araka ny fanazavana azo, tany manan-tompo io tany io. “Olona folo no tompony io tany io”. Teraka ny ady tany satria olona iray hafa nangataka tany mirefy 3a mahery izay tanim-panjakana mifanakaiky amin’ilay tany voalaza etsy ambony. Ny zava-nitranga anefa lasan’io olona io hatramin’ilay 28 a. Tsara ny mampatsiahy fa efa niafara tamin’ny fandravana trano miisa 14 niorina teo mihitsy izany tamin’ny taona 2006. Nahazo rariny mantsy io olona io.
Anterivava : solo-tenan’ireo olona folo

Tsy nanaiky ireo olona folo ireo ka naka mpisolovava . Rehefa natao ny fanadihadiana, nandefa taratasy ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fanana-tany fa nanao fahadisoana ary niaiky izany. Tokony ilay tany mirefy 3a ihany mantsy no azon’ity olona ity. “Foana hatreo izany ny “titre” milaza fa azy ny tany ka mbola eny am-pelatanan’ny fitsarana ity raharaha ity”. Mampalahelo ny zava-miseho, mbola misy olona manao amboletra manorina trano ihany. Ny mahagaga, hoy ny solontenan’ireo olona folo milaza fa tena tompon-tany, ny nahazoan’ireo nanorina trano fahazoan-dalana tany amin’ny kaominina kanefa ny kaominina izao mihitsy no nanao sonia fanohanana tsy hikitihana ny tany aloha. Nanaitra ny Filoha Lefitry Ben’ny Tanana voalohany ireto fianakaviana ireto mahakasika ny fisian’io taratasy io.
Lany vola aman-karena, betsaka ny tsy manan-kialofana niadiana ny tany ny fianakavian’ireo olona folo ireo. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra voakasika rehetra noho izany izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha.
Anterivava : Ben’ny Tanana lefitra faha-3 ( Sabotsy Namehana )

Araka resaka nataonay tamin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanana fahatelo eny Sabotsy Namehana, manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny kaominina ary ampihaona ny roa tonta. Tsy maintsy hiroso amin’ny fandravana rehefa voamarina fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana tokoa izany.
Lynda A.

HORONAN-TSARY


ISANTAONA D’ANKARAMALAZA : Découvrons en 60 photos les points forts de l’événement


Indéniablement, Ankaramalaza est le plus « grand » des quatre tobilehibe affiliés à la Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar ! S’entend par « grand » le nombre de visiteurs ou pèlerins ! Cette multitude constitue un épiphénomène car l’effectif des nouveaux mpiandry (bergers) y recevant leur sacre est déjà phénoménologique. Continuer la lecture