Investigation

EFA MITRANDRAKA IREO ALA AROVANA AO RANOMAINTY NY TAO DIDY!


Anterivava :

.

Tsy ny vahiny ihany no mandripaka ny harena voajanahary eto amintsika fa anisan’izany ihany koa ny mpiray tanindrazana mpanam-bola. Ny loza, manampatra ny maha manam-pahefana azy ireo mpitrandraka ka  manararaotra hoatran’ny banga mihomehy alina satria ao anatin’ny faritra arovana mihitsy no mitrandraka. Hita sy voamarina izany araka ny fanadihadiana lalina  nataon’ny mpanao gazety nahavita fiofanana momban’ny fiarovana ny tontolo iainana.

 Ripaka noho ny fitrandrahana antsokosoko  ireo hazo sarobidy ao anatin’ny  faritra arovana Tandavanala Ankeniheny Zahamena( faritra Alaotra Mangoro sy Antsinana). Tsy mijanona ao Didy  intsony fa efa mikisaka ao Ranomainty no misy ireo mpitrandraka . Eo anelanelan’i Didy sy Fierenana no misy azy. Tsy misy tahotra intsony fa ao anatin’ny “noyau dur” mihitsy no misy ny fitrandrahana. Miraviravy tanana ireo vondron’olona ifotony ( VOI ) satria mafy ny tsindry mahazo azy ireo. Azo ambara mihitsy aza fa izy tompony indray no tsy afaka mijery ny zava-misy any amin’ireny aty ala arovana ireny, toy ny ao Ranomainty. Raha araka ny voalazan’izy ireo, matahotra ny ainy satria efa misy ny fandrahonana isan-karazany, hoy ny filohan’izany VOI miandraikitra iny toerana iny. Efa misy ihany ny anaran’ny olona voatonotonona amin’ny fandrimpahana ireo ala arovana ireo. Voalaza mihitsy aza fa misy  olona ambony sy mpitandro filaminana manana bokotra maromaro no ambadiky io fitrandrahana io ary efa misy rafitra antanatohatra izany asa famotehina ny tontolo iainana izany. Noporofoin’ireo olona maromaro nanaovana fanadihadiana tao anatin’ny kaominina ambanivohitra Fierenana distrika moramanga faritra alaotra mangoro, Amparihivola, Amboasary gara (olon-tsotra, VOI, mpitandro ny filaminana ary tompon’andraikim-panjakana) izany. Tsy lavitra an’ Amparihivola no misy an’i Ranomainty izay tsy maintsy atao dia an-tongotra ora maromaro noho ny tsy fisian’ny lalana.

Marihana fa tsy mahalala ny fisian’io fitrandrahana io ny tomponandraim-panjakana tafaresaka taminay. Fatahorana hiteny ny marina  noho ny toerana sa sanatria efa voatampina ny vava?

Mandritra ity anterivava ity no nanambaran’ireo olona nanaovana fanadihadiana ny  tompon’antoka voalohany amin’ny fitrandrahana ny ala ao Ranomainty

Anterivava :

.

Amanetsiny hekitara ny ala efa ripaka ao anatin’ny faritra arovana tanteraka ary mpiasa an-jatony no apetrak’ity mpandraharaha ity ao anaty ala toy ny ao Ranomainty, Ambohibe.

Anterivava :

.

Misy milaza fa mahazo fahazon-dalana ara-dalana izy. Tsy hita soritra eo @ asan’ny mpitandro filaminana sy ny mpisakana ara-toe-karena ny fitanterana hazo na andro na alina. Raha ny fanazavana voaray dia toa midika ho ara-dalàna izay taratasy asehon’ny mpitatitra sy ny fitaterana alina.

Anterivava :

.

Manoloana ireo rehetra ireo, tsy asa mora ny ady atao @ fandripahana ala ao anatin’ny faritra arovana Tandavanala Ankeniheny Zahamena, fa mihatra aman’aina. Vokany, mitondra fitarainana ireo mpisehatra @ fiarovana ny ala. Ankehitriny ny VOI izay nomen’ny fanjakana alalana hitantana ny ala indray no lasa tompony mangataka ny atiny.

Anterivava :

.

Manalasala tahaka ny vozon’ankoho ny fiarovana ny ala eto amin’ny firenentsika. Raha manao ny ainy tsy ho zavatra ny vondron’olona tsy miankina, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena kanefa toa manampimaso na minia tsy mahafantatra ny solotenam-panjakana ao amin’ny faritra nanaovana fanadihadiana izay misy ny ala harovana ripaka ankehitriny.

Anterivava : Prefet Ambatondrazaka

.

Ny zava-misy dia mitaky fanamafisana fiaraha-miasa matotra sy marina avy @ fanjakana foibe mba hiarovana ny harena voajanahary sisa tavela, izay miantoka ny ady @ fiovaovan’ny toetrandro sy ny fisintonana karibaona.  Ankoatra ny fiarovana ny ala,  ilaina ihany koa ny fambolena hazo.

Anterivava : Minisitra Ndahimananjara Joanita

.

Marihana fa ny Conservation International  no niara-niasa tamin’ny mpanao gazety nafahana nanao ity fanadihadiana lalina ity izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa SCAPES II ary novatsian’ny vahoaka Amerikana USAID  vola.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *