Non classé

ONN-BNGRC: Ho raisina an-tanana ny reny sy ny zaza.


Mifampiankina tanteraka andraikitrin’ny sampandraharaha misahana ny loza voajanahary sy ny ateraky izany na BNGRC sy ny ONN izay miandraikitra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teraka noho izany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tsy niandry ela fa tonga dia nomarihina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia izany. Hifanohana amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ireto ratsa-maingaka ireto. Nambaran’ny Sekretera Mpanatanteraky ny BNGRC, Thierry VENTY, hiaraha-mamita ny  politikan’asa mampifandray ny BNGRC sy ny ONN.

Anterivava :  Thierry VENTY

Mila tohanana ny reny sy ny zaza rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny loza voajanahary. “Marefo dia marefo  mantsy izy ireo ka mila tohana ara-tsakafo tsara aloha sy mandritra ny loza”, hoy ny mpandrindra Nasionalin’ny ONN, Ambinintsoa Andriamboahangy RAVELOHARISON.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *