Auteur R Nirina


FY VARY : Hampivoatra ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara.


Nosokafana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 05 Oktobra 2017 tetsy Antaninarenina ny tetikasa FY VARY « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield ». Hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ireo faritra eto Madagasikara no tanjona.

Faritra mpamokatra vary.

Faritra Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro no anaovana ity tetikasa FY VARY ity. Manomboka amin’ity taona 2017 ka hatramin’ny 2022 ny faharetany. Mitentina 12,7 lavitrisa Ariary ny vola ampiasaina ao anatin’ny izany dimy taona izany. Mifantoka amin’ny fampivoarana ara-teknika fambolem-bary, fampivoarana sy manatsara ny nofon-tany mba hanatsarana ny vokatra vary, fampivoarana ara-teknika ireo masom-boly mifanaraka amin’ny toe-tany anaovana ny tetikasa ary farany, fijerena sy fanaovana tombana ny vokatry ny tetikasa amin’ireo tantsaha.

Fanjakana Malagasy sy Japon.

Tetikasa iarahan’ny fanjakana Malagasy sy ny firenena Japoney ny FY VARY amin’ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fambolena. Fanamafisana sy fizarana fahaiza-manao eo amin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny tetikasa. Noho izany, ny Ministera eo amin’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana ( MPAE ), sy Japan International Research Institute for Agricultural Sciences ( JIRCAS ) no mandrindra ny tetikasa. Hiaraha-miasa amin’ny Office National de Nutrition ( ONN ), ny Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural ( FOFIFA ), ny Laboratoire des Radioisotopes de l’Université d’Antananarivo ( LRI ), ny l’Université de Tokyo ary ny Université d’Yamanashi Eiwa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA : Hohamafisina ny fitandroana ny filaminana.


Mihatsara hatrany ny fikarakarana ny Marathon International de Tana (MIT).  Nohatsaraina  ny fitandroana ny filaminana mandritra ny hetsika izay hotontosaina ny 14 sy ny 15 oktobra 2017. « Noho ny fiarahamiasa amina orinasa miasa amin’ny fitandroana ny filaminana, ho rakotra mpiambina avokoa ny toerana hanaovana  hazakazaka, natokana ho an’ny ankizy… », hoy  ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center,  Mercedes RATSIRAHONANA. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana.


Am-polony ny orinasa  manohana ny hetsika Marathon International de Tana (MIT). Tao ny efa nanohana ny hetsika teo aloha, tao ihany koa no mbola vaovao. Noho ny fahombiazana tamin’ny andiany 16 nifanesy, manohana hatrany ny MIT ny orinasa CRBC izay orinasa nanamboatra ny “rocade” Andohatapenaka. Handalo eny amin’ny lalan’ny frankofonia Andohatapenaka izany ny   lalao foulées écolos (10km). Continuer la lecture


ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.


Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo. Continuer la lecture


ISPM: Mahaliana ny mpianatra ny lalam-piofanana momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra.


Ao anatin’ny fitadiavana ny oniversite mifandraika amin’ny  lalam-piofanana hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  farany teo. Betsaka ireo mpianatra no liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisan-davitra sy ny serasera. Anisany lalam-piofanana be mpanontany indrindra teo amin’ny trano heva nisy ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM) izy ity. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM,  Aimée RAZAFINDRAHETY fa mirona  kokoa amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Continuer la lecture