Catégorie Actus



DFP: “Tandindomin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara”.


Ho avy eto Madagasikara ny filoham-pirenenan’ny Turquie, Tayyip Erdoğan. Nambaran’ny vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) anefa fa malaza ho lohandohan’ny mpisorona amin’ny asa fampihorohoroana izy ity.

Anterivava : Maharavo RATOLONJANAHARY

“Ny vondrona eropeanina aza matahotra  azy ka izany  no mahatonga an’io firenena tsy ho voaray ho mpikambana ao anatin’ny frankofonia”, hoy i Maharavo RATOLONJANAHARY, Filoha Mpandrindra  ny DFP.

Niantso ny mpanao gazety mihitsy ny DFP satria mampiahiahy ny fivahinian’ity filoham-pirenena vahiny ity eto amintsika. Nambarany fa raha teraka ny fifanarahana ara-diplomatika amin’ny firenena Turc dia ho tandindomin-doza amin’ny asa fampihorohoroana ny vahoaka Malagasy.

Noho izany, manaitra ny mpiray tanindrazana ny DFP mba ho mailo sy hifoha amin’ny torimasony.

Lynda A.


MANANDAFY Mahery Lanto : Tsy lova ny MFM fa fotokevitra


Délire Madagascar (DM): Manandafy Mahery Lanto, ianao dia mavitrika tokoa amin’ny fiakarana Don-dresaka. Inona no azo ambara amin’izao taombaovao izao?

Manandafy Mahery Lanto (MML): « Dia mirary soa ho an’ny vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara. Ny zavatra azo ambara angamba dia mbola betsaka ny sehatra azo trandrahana amin’ity taona 2017 ity. Dia mila “optimism” ilay izy. Ary aoka isika tsy hanaratsy fotsiny. Satria marina fa mety ratsy ny zavatra miseho, fa mba hanatsara, mba asiana “optimism” ilay fiainam-pirenena. Fa raha tsy izany isika dia hilentika eto foana”

DM: Ianao ve mpandinika fiarahamonina sa mpanao politika? Iza amin’izay roa izay?

MML: “Tsy hay! Izay fandraisan’ny olona azy! Inona moa no azoko tenenina ankoatra izay? Izay fandraisan’ny olona azy. Rehefa hoy ny olona hoe manao politika dia manao politika. Raha hoy ny olona hoe manao hatsikana dia manao hatsikana. Raha hoy ny olona hoe mandinika politika dia mandinika politika. Aleo ny olona no hijery an’izany.”

DM: Ianao manokana ve manana eritreritra hitarika ny antoko MFM any aoriana any?

MML: “Ny antoko MFM dia tsy lova fa fotokevitra. Dia ny asa atao ao anatiny no hitsarana azy. Mbola eo izao ny Sekretera Jeneraly Rakotovozaha Olivier. Mbola eo izao ny PN Manandafy Rakotonirina. Aleo izy hanao ny asany.”

Anterivava nataon-dRazaka Oliva

 

 


CARTE GRISE BIOMETRIQUE : Nahemotra amin’ny faran’ny volana martsa 2017.


Nahemotra ny faran’ny volana martsa 2017 ny fanovana ireo « carte grise » teo aloha ho « carte grise biometrique ». Nandray izao fanapahan-kevitra izao ny minisitry ny atitany sady praiministra lehiben’ny governemanta.

Anterivava : RAJAONARISON Charli Hyacinthe

« Manodidina 130.000 ny « carte grise biometrique» na 65% no efa vita ankehitriny », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny foibe mpanome laharan’ny fiara etsy Ambohidahy, RAJAONARISON Charli Hyacinthe. chef-cimNoho ny filaharana be sy ny fahitan’ny tomponandraikitra fa tsy tratra ny fotoana faran’ny volana desambra 2016 hanovan’izy ireo no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Raha ny tombana, ho vita amin’ny volana febroary 2017 ny fanovana ireo ambony ireo. « Manentana ny olona mba tsy hiandry ny farany vao hanova fa izay no antony izao filaharam-be izao », hoy izy. Nanambara, ihany koa, izy fa tsy misy mpiasan’ny foibe mpanome laharan’ny fiara mijoro any ivelany kanefa tsy lavina ny fisian’ ireo mpisandoka. Miara-miasa amin’ny polisy izy ireo hiadiana amin’ireo mpanao ratsy ireo. Nanentana izy mba tsy handoa vola any ivelany fa efa misy ny « guichet unique » hanaovana izany. « Tsy maintsy ny tompony ihany no manova ny taratasy famantarana ny fiara fa rehefa tena tsy afaka ny tompony dia manao fahazoan-dalana ( procuration ) ary vita firaketana an-tsoratra ( enregistré ).
Nirina R.

HORONAN-TSARY