Interview...Anterivava

MANANDAFY Mahery Lanto : Tsy lova ny MFM fa fotokevitra


Délire Madagascar (DM): Manandafy Mahery Lanto, ianao dia mavitrika tokoa amin’ny fiakarana Don-dresaka. Inona no azo ambara amin’izao taombaovao izao?

Manandafy Mahery Lanto (MML): « Dia mirary soa ho an’ny vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara. Ny zavatra azo ambara angamba dia mbola betsaka ny sehatra azo trandrahana amin’ity taona 2017 ity. Dia mila “optimism” ilay izy. Ary aoka isika tsy hanaratsy fotsiny. Satria marina fa mety ratsy ny zavatra miseho, fa mba hanatsara, mba asiana “optimism” ilay fiainam-pirenena. Fa raha tsy izany isika dia hilentika eto foana”

DM: Ianao ve mpandinika fiarahamonina sa mpanao politika? Iza amin’izay roa izay?

MML: “Tsy hay! Izay fandraisan’ny olona azy! Inona moa no azoko tenenina ankoatra izay? Izay fandraisan’ny olona azy. Rehefa hoy ny olona hoe manao politika dia manao politika. Raha hoy ny olona hoe manao hatsikana dia manao hatsikana. Raha hoy ny olona hoe mandinika politika dia mandinika politika. Aleo ny olona no hijery an’izany.”

DM: Ianao manokana ve manana eritreritra hitarika ny antoko MFM any aoriana any?

MML: “Ny antoko MFM dia tsy lova fa fotokevitra. Dia ny asa atao ao anatiny no hitsarana azy. Mbola eo izao ny Sekretera Jeneraly Rakotovozaha Olivier. Mbola eo izao ny PN Manandafy Rakotonirina. Aleo izy hanao ny asany.”

Anterivava nataon-dRazaka Oliva

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *