Ombay mitady fa nanjavona ilay Malagasy iray nitsabo tena tany Morisy. Niala tao amin’ny Hopitaly « la Fortis Clinique Darné » ao Morisy i Claudine RAZAIMAMONJY. Efa nanao « décharge » izy ka tsy hita intsony ny nalehany ny tolak’andro teo. Continuer la lecture
Catégorie Actus
“FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA” : Nankatoa Mpahay telo lahy vaovao ny Fitsarana Ambony
“Fotoam-pitsarana manetriketrika” (araka ny filazan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambony) natao tetsy amin’ny Tribonaly Anosy ny zoma 31 marsa 2017 tolakandro, no nanatanterahan’ny Mpahay ankatoavina (Experts agréés) telo mirahalahy ny fianianana handraisana azy ireo, araka ny Lalàna, ho isan’ny mpikambana feno ao amin’ny CAREA (Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les Cours et Tribunaux de Madagascar). Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR: Nanotrona ny fahatsiarovana faha-70 taon’ny 29 martsa 1947 tany Moramanga.
Niara-nanotrona ny fotoam-dehibe ho fahatsiarovana faha-70 taon’ny tolona nataon’ireo mahery fo tany Moramanga ny mpiasa rehetra ao amin’ny orinasa VIMA Woods. Ity farany izay orinasa Malagasy tokana mitrandraka ny ala any Moramanga, manaraka ny fenitra FSCTM. Noho ny fahatsapana fa zava-dehibe tokoa ny tantara nitranga tamin’izany fotoana izany ary hisy hiatrehana ny ho avy dia anisany nametraka fehezam-boninkazo niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany koa ny ekipan’ny Vision Madagascar (VIMA). Continuer la lecture
VIMA : Fitaovana hampandrosoana ny toe-karena Malagasy ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha sinoa.
Nanana fotoana nihaonana tamin’ireo mpandraharaha tsy miankina ara-ekonomika sinoa ireo delegasiona Malagasy niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Noho ny fihaonana andiany faha-16 ny Forum BOAO an’i Asia (FBA), nifanakalo hevitra ny roa tonta. Continuer la lecture
FARITRA ANALAJIROFO: Mamolavola planina hiatrehana taom-piotazana ny lavanila.
Anisan’ny hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny resaka lavanila ny faritra Analajirofo. Mba iatrehana ny taom-piotazana amin’ity taona ity,manomboka mametraka drafitra mati-paika hiadiana amin’ny halatra lavanila ny eo anivon’ny faritra. Continuer la lecture
VISION MADAGASCAR : Vonona ny hampandroso ny toekaren’i Madagasikara hatrany.
Nandritra ny “Forum International Afrique Développement” natao tany Casablanca (Maroc), nanamafy ny toky nomeny fa hampandroso ny toekarena Malagasy ny orinasa VIMA (Vision Madagascar). Efa nambaran’ny Vision Madagascar tamin’ny fivoriamben’ny mpamatsy sy mpampiasa vola, tany Paris farany teo fa efa misy fandaharan’asa momban’ny foto-drafitra asa sy ny angovo ho atao eto Madagasikara izay ampiasaina vola mitentina 300 tapitrisa dolara. Continuer la lecture
MBOLA AZO AMPIASAINA NY « PERMIS DE CONDUIRE » SY NY « CARTE GRISE » ANKEHITRINY…
Nihemotra amin’ny 31 Desambra 2017 indray ny fe-potoana farany hiasan’ny taratasy fahazoana mamily fiara sy ny « carte grise » ny fiara-kodia. Antony lehibe tsy maintsy anovana ireo taratasy ireo ho biometrique ny andiovana ny « permis de conduire » sy ny « carte grise » sandoka raha ny fanazavana azo. Aorian’io fotoana io kosa dia ny « permis de conduire » sy « carte grise » biometrique no ampiasaina kanefa kosa tokony azo atao hatrany ny manova ny teo aloha.
Nirina R.
BNGRC-ACM: Samy nitondra fanampiana ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka Malagasy sy vahiny.
Andro faharoa ho an’ny hetsika fanampiana ireo traboina no notontosaina omaly faha-21 martsa 2017 teny amin’ny foiben’ny ACM. Nisy komity natsangana mihitsy hisahana ny fanangonana ireo tolo-tanana ho an’ireo lasibatry ny rivo-doza mahery ENAWO farany teo. Continuer la lecture
FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra.
Betsaka ny tanora vao afaka bakalorea no tsy mahafantatra akory ny tena marina ambadiky ireny fianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana milaza fa “habilité par l’Etat”. Diso ny filazana hoe: “université habilitée par l’Etat” fa formation(s) habilitée(s) par l’Etat no fiteny. Continuer la lecture
HAZAKAZAKA POSIPOSY MAMPIRAY TOUR 2017: Lalao hampifandraisana sy hiarovana ny tombontsoan’ireo mpitari-posy entin-tanana.
Misedra olana ireo mpitari-posy entin-tanana izay fitaovam-pitaterana mahomby ary mahasarika mpizahan-tany ny fandehanana aminy. Vokatry ny fidiran’ireo fitaovam-pitaterana hafa manaraka ny fanatontoloana toy ny “bajaj” sy ny “cyclo-pousse” eto Madagasikara, nihena ny isan’ireo miasa amin’azy ity. Teraka noho izany ny hetsika goavana “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Continuer la lecture





















