Kaominina 992 eto Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy any amin’ny banky iraisam-pirenena. Samy nahazo vola mitentina 15 tapitrisa Ariary avy ireo kaominina ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAPSP na Paik’Ady am-Pivoarana ny Sehatr’Asam-Panjakana izy ity. Continuer la lecture
Catégorie Actus
MPANAO KUNG-FU WISA BONGOLAVA: Nanambatra ny heriny
Nanao filaharam-be namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy ny solontenan’ny mpanao Kung-Fu ao amin’ny faritra Bongolava. 4000 ny mpandray anjara tamin’ny filaharam-be. Continuer la lecture
« Forum de Tana » : Des bourses attribuées aux journalistes
Une offre ! Des bourses seront attribuées aux six journalistes en Afrique pour assurer la couverture médiatique du « Forum de Tana ». Tana dont on parle ici n’est pas la capitale malagasy. C’est le nom d’un grand Lac à Bahir Dar, en Ethiopie.
Kely toy ny ahoana no atao hoe kely loatra? Ny ho avy ankamantatry ny zara-alan’i Madagasikara
Ankafobe, Madagasikara – Raha vao nilaza tamin’ireo mpiara miasa taminy tany amin’ny Missouri Botanical Garden i Jean Jacques Rasolofonirina fa mbola misy gidro monina ao amin’ny alan’Ankafobe dia tsy nisy nino azy. Continuer la lecture
DIDIER RATSIRAKA : Tsy niloa-bava
Feno 42 taona ny antoko Arema. Nankalazaina ny 24 martsa 2018 ny fitsingerenan’ny taona niforonany ny antoko izay tarihin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka . Continuer la lecture
ONIVERSITE ACEEM: “Izay mahay ihany no afaka”
Mpianatry ny oniversite ACEEM Manakambahiny miisa 320 navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Nisalotra ny anarana “Miatrika” ireto andiany ireto.
Anterivava : William RATREMA
Araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, William Ratrema nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ny zoma 23 martsa 2018, teny amin’ny CCI Ivato, fa manahirana ny fiainana ka entina hitaizana ireto mpianatra ireto ho vonona hiatrika ny fahasarotan’ny fiainana no antony nisafidianana ny anaran’ny andiany. Andiany faha-8 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary faha-4 kosa ireo mpianatra nahazo ny diplaoma Master. Nohamafisin’i William Ratrema fa miezaka mamolavola tanora tena manam-pahalalana ny oniversite. Matoa omena mari-pahaizana dia tena ny fahaizany no antony hanomezana azy. Tsy misy izany mari-pahaizana omena maimaim-poana izany fa izay mahay no afaka”, hoy i William Ratrema.
Fiarahamiasa any ivelany
Efa be dia be ireo mpianatry ny oniversite ACEEM no nanohy ny fianarany any ivelany. Miara-miasa amin’ny oniversite IESEG any Lille ny ACEEM. “Mampalahelo anefa indraindray fa tsy miverina eto an-tanindrazana intsony ireo mpianatra. Sekoly manan-danja ny IESEG ka hifandrombahan’ny orinasa any ivelany ny mpianatra mivoaka ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia tokony hiverina eto an-toerana hanasoa ny firenena ireo mpianatra”, hoy ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM. Ankoatra izany, miara-miasa amin’ny orinasa avy eto an-toerana ihany koa ny oniversite ho fanamorana ny fampidirana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa.
Nirina R.
RECEF: Ilaina ny vehivavy amin’ny fifidianana
Mampanjaka ny demokrasia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny vitsy an’isa amin’ny fifidianana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay, nosafidian’ny RECEF (réseau des compétences électorales francophones) Continuer la lecture
FANARARAOTANA MAMOAFADY: Tomponandraikitra ny haino aman-jery
Misy fiantraikany ratsy amin’ny ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny fitantarana ny antsipirian’ny zavatra nitranga niainany amin’ny haino aman-jery. Continuer la lecture
ASA SOSIALY : « Mamerina olona amin’ny tena maha olona azy ».
Anterivava : Landry RAMBELOMANANA
Tsy asa soa fa asa fanarenana olona iray ny asa sosialy. « Mamerina olona iray amin’ny tena maha olona azy ny asa sosialy », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS ( Institut Supérieur de Travail Social ), Landry RAMBELOMANANA. Continuer la lecture
RAHARAHA METM ANTOHOMADINIKA: Nampiaka-peo ny taranaky ny mpitandrina
Nanakiana mafy ny fihetsika nataon’ny komity foibe ny fiangonana Misiona Evanjelika Tera-tany eto Madagasikara (METM) ny taranak’Itompokolahy Rakotobe Andriamaro, mpitandrina tao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika. Continuer la lecture





















