Socio-eco

Tetikasa Prosperer: Mifanindran-dalana amin’ny vina fisandratana 2030


Feno folo taona no niasan’ny fandaharan’asa Prosperer tao amin’ny faritra Sofia. Nisongadina tao anatin’izay 10 taona izay ny fahazoan’ireo orinasa madinika sy salantsalany eny ambanivohitra miisa 83.000. Niala tanteraka tamin’ny tsipika mamaritra ny fahantrana eto amintsika izy ireo. « Tsy ao anatin’ny fotoana fohy akory no ahitana izany fisandratana izany fa mila taona maromaro », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny  Prosperer, Vladimir Ratsimandresy. Mifanindran-dalana amin’ny vina fisandratana 2030 ity tetikasa ity raha ny mari-pamantarana tao anatin’izay taona nampiharana azy izay, hoy izy. Ahitana taratry ny hambom-pom-pirenena ilain’ny vina fisandratana 2030 ny fahatongavan’ny mpampiranty avy amin’ny faritra samihafa.

Fandraharahana Ambanivohitra

Notanterahana tao amin’ny stade municipal Befandriana Avaratra ny ny foara « Ankolagny »  andiany faha-enina ny ny 24 ka hatramin’ny 27 aogositra 2018. Ny fandaharan’asa Prosperer Sofia ao amin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra no nikarakara mivantana ny hetsika. Ny hanatsarana ny asa fiveloman’ireo orinasa madinika, ny tantsaha notohanany ny foara. Nanatevina ny foara ireo koperativan’ny tantsaha nahazo tosika avy amin’ny Prosperer faritra Analanjirofo sy Boeny. Marihana fa nahazo tohana sy fiofanana ireo orinasa ireo, toy ny fanodinana ny voankazo ho lasa « confiture », fiofanana momba rary…Nanampy ny fidiram-bolan’izy ireo ity foara « Ankolagny » ity. Tsy vitan’izany fa nahazo fahaizana vaovao ihany koa izy ireo tamin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa. Teo fampiasana ny ravina voanio azo anaovana rary fa tsy mijanona amin’ny penjy fotsiny ihany. Antenaina fa tsy hiverina amin’izany fahantrana izany intsony ireo tantsaha  miaina ao anatin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *