Tsy ampy ny dokotera misahana ny fitsaboana maso eto Madagasikara. 50 fotsiny no isan’ny ophtalmologue eto amintsika, araka ny tarehimarika nomen’ny Institut de la Vision de Madagascar (IVM). Tsikaritra anefa fa mitombo isan-taona ny isan’ny olona manaraka fitsaboana momba ny maso. Raha ho an’ny IVM manokana dia 2000 isam-bolana farafahakeliny ny marary raisiny amin’izao faha-20 taona nijoroany izao raha toa ka 1200 isam-bolana izany tamin’ny 10 taona lasa. Manana vina hampitombo ny isan’ireo mpitsabo maso eto amintsika ny IVM ho fanatanterahana ny teny filamatra “manampy ny olona ahita tsara kokoa” sady ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroany. Hanangana ivon-toeram-piofanana hamoaka mpitsabo maso matihanina eny Soamanandrariny ity toeram-pitsaboana momba ny maso ity. Napetraka ny 20 jona 2024 teny Soamanandrariny ny vato fototra voalohany.
Nanatrika izany lanonana izany ny dokotera James Davidians, Filohan’ny Adventist International Eye Services (AIES), miaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy any Etazonia, ny Pastora Solofo Georges Jean Mesmert, Filohan’ny Fivondronambe ny federasiona advantista aty amin’ny ranomasimbe Indiana, sy ny Pastora Andriamparatiana Fanera, Filohan’ny Federasiona advantista Madagasikara afovoany. Marihana fa eo ambany fiahian’ny ONG AIES ny IVM. “Efa manofana mpitsabo maso ny IVM fa mbola fahalalana fototra toy ny fizahana maso sy ny fitsaobana mifanaraka amin’izany no omeny. Aoriana kely kosa dia hihitatra any amin’ny fanofanana mandidy izahay. Ankehitriny, efa mianatra mandidy ireo mpianatra mitsabo maso, manao fandidiana tsikelikely, ohatra misy mivonto ao amin’ny hodi-maso na karazana takodimena. Efa mivelatra miandalana any amin’ny cataracte izay fandidiana ngeza be izany”, hoy i Dr James Davidians, Filohan’ny AIES. Hatreto, manafatra mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny maso hanofana ny mpitsabo maso rehetra eto an-toerana ny IVM. Manao fizahana maso, manana fitaovana hijerena ny “tension” ny maso ary manao fandidiana ny IVM, ao anatin’izany ny fandidiana momba ny maso izay tsy vita teto Madagasikara teo aloha. 100 isam-bolana ny fandidiana vitan’ny ivon-toerana. “Hanofana mpitsabo maso ity ivon-toerana vaovao ity ary hiparitaka manerana faritra ireo mpitsabo vaovao ireo. Omena fampitaovana izy ireo mba ho tolotra ara-pahasalamana tsara indrindra no omen any vahoaka Malagasy”, hoy i Dr James Davidians, Filohan’ny AIES, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Ankoatra ny fampiofanana, ho fanitarana ny fandraisana ny marary ny antony hanamboarana an’ity ivon-toerana vaovao eny Soamanandrariny ity. Hanao fizahana lalindalina kokoa, fandidiana momba ny maso tahaka ny atao ao Ambatomaro ny ivon-toerana. Dokotera valo no miasa ao amin’ny IVM Ambatomaro amin’izao fotoana izao. Mpitsabo nahazo mari-pahaizana avy any ivelany sy mbola miofana matetika any, ho fanatsarana ny traikefany, no manatanteraka ireo fandidiana izay tsy vita teto Madagasikara teo aloha. Mitsabo sy mandidy maimaim-poana ireo olona sahirana ara-pivelomana, indrindra any amin’ny faritra lavitrandriana (oh: Ampanihy, Besalampy, Maroantsetra) ny ivon-toerana. Mahatratra 20%-n’ny tontalin’ny marary tsaboina isan-taona ireo nisitraka fitsaboana maimaimpoana ireo.
Ra-Nirina