Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra Schneider Electric sy ny orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
TIM IVATO: “Hisintona ny olona avy any ivelany”.
Tonga nanotrona ny fitsangatsanganan’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny kaominina Ivato ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Hentitra ny teniny nandritra ny kabary nataony. Continuer la lecture
GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.
Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny lahatsoratra miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny seha-panjakana isan-tsokajiny ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture
FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.
Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123. Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. Continuer la lecture
SCHNEIDER ELECTRIC- ML STONE: Kaominina ambanivohitra 22 hiala ao anatin’ny aizina.
Kaominina 22 hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. “Hiaina ao anatin’ny fahazavana amin’izay ny kaominina ambanivolo izay tarihiko, hihena tsy fandriam-pahalemana noho ny fahamaizinana”, hoy ny Ben’ny Tanana ny kaominina ambanivohitr’i Marovatolena, distrika Analalava, RASOLO. Continuer la lecture
ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Miala amin’ny voka-dratsy ateraky ny lavanty.
Nankinin’ny fikambanana « Ny fanahy maha olona » amin’ny mpisolovava Willy RASOLONJATOVO ny raharaha momba ny fanaovana lavanty ny fanomezana avy any amin’ny Mpanjakan’i Dubaï. Ho fiarovana ny fikambanana amin’ny mety zava-doza hitranga no antony natrehan’ny fikambanana ny raharaha amin’ny Maitre Olala. Continuer la lecture
FTHM: Manaraka ny ISO 9001:2015 ny kalitaon’ny fitantanana.
Mitombo hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny FTHM Consulting ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nahazo ny fanamarinana « certification » ISO 9001 :2015 ity « cabinet de conseil » ity. « Manamafy andraikitra sahaninay ny fahazoana ny fanamarinana ISO 9001:2015. Continuer la lecture
MISS WORLD MADAGASCAR 2018: Ho hentitra ny fifantenana.
Tanora zazavavy 18 ka hatramin’ny 24 taona miisa 16 hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Miss World Madagascar”. Fantatra amin’ny zoma 15 desambra 2017 eny amin’ny Carlton Anosy ny hisalotra ny Miss World Madagascar 2018. Handray anjara amin’ny Miss Monde andiany manaraka izay handrombaka ny laharana voalohany. Continuer la lecture
WINDHOEK – NAMIBIA : Atrikasa iraisam-pirenena momba ny fahasembanana
Nisokatra ara-pomba ofisialy ny talata 12 desambira teto Windhoek renivohitr’i Namibia ny atrikasa iraisam-pirenena eo ambany fiahian’ny Firenena-Mikambana: fampiofanana momba ny fampiarana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Teratany afrikana miisa 27 avy amina firenena afrikana 11, miampy ireo tompon’andraikitra mpampiofana avy amin’ny Firenena-Mikambana any New York, sy ny UNICEF avy eto Namibia no vonory eto amin’ny SAFARI HOTELS, miatrika izany hatramin’ny zoma 15 desambra 2017.
MOPERA RAHAJARIZAFY: Nivoy ny maha Malagasy sy kristianina modely.
Tsangam-bato faha-100 taona nahaterahan’ny Mopera Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY ny boky vaovao “Ny fanahy no olona, un prêtre, un oeuvre”. Voarakitra ao anatin’io boky io ny fahitan’ireo olona nifanerasera taminy nandritra ny fahavelomany. Amin’ny maha mpanoratra an’ny mopera RAHAJARIZAFY, nivoy kolontsaina maha Malagasy ny tenany. Continuer la lecture