Nivoaka ny gazety boky mirakitra ny asa vitan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) sy ny vina ho tanterahina manaraka ary ireo fitarainana voaray momba ny tsy fanajana ny demokrasia. Atonta isaky ny telovolana ity gazety boky ity. Continuer la lecture
Catégorie politique
OLOM-PANJAKANA MANAO PROPAGANDY: Hiroso amin’ny fitoriana azy ireo ny DFP
Miditra amin’ny herinandro faha-telo ny propagandy isika izao, efa an-jatony ny olom-panjakana azo sary nanao fampielezan-kevitra. Continuer la lecture
JAONA ELITE: Manohana an’i Andry Rajoelina
Rehefa nijery ireo programan’asan’ireo kandida miisa 36 ny solombavambahoaka Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite dia ny an’ny kandida Andry Rajoelina no hitany fa hitondra fampandrosoana ho an’ny distrikan’Atsimondrano. Continuer la lecture
OLOM-PANJAKANA SY FAMPIELEZAN-KEVITRA: Voasazy na dia manotrona fotsiny aza
Ankoatra ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà amin’ny faritra nahatrarana olom-panjakana mampifidy kandidà dia mety hiafara amin’ny fandoavana lamandy roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa miliara ariary miampy sazy an-tranomaizina roa ka hatramin’ny dimy taona ny fampiasana ny fitaovam-panjakana na fampandaniana kandidà ataon’ny mpiasam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Continuer la lecture
ANTOKO MFM : Hery Rajaonarimampianina no tohanany
Nikaon-doha tao anatin’ny roa andro teny amin’ny La villa verte Ambatomirahavavy ny solontenan’ny antoko politika Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara (MFM) avy any amin’ny faritra 22 manoloana ny fifidianana filohampirenena amin’ny 7 novambra 2018. Continuer la lecture
ANTOKO REPOBLIKANINA: Hanohana an’i Andry Rajoelina
Samy manana ny safidiny sy tohanany ireo antoko politika indrindra ireo nitsangana tsy ela akory izay. Continuer la lecture
Fanaraha-maso ny fampielezan-kevitra: Miantso ny vahoaka hifanampy aminy ny DFP
Hanaramaso ny fampielezan-kevitra ny Dinika ho Fanavotam-pirenena ( DFP ). « Torinay eny amin’ny « tribunal penal » avy hatrany ireo mpiasam-panjakana izay tratra manao izany fampielezan-kevitra izany. Continuer la lecture
Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy : « Tompon’antoka ny HCC, CENI, CFM…raha misy ady eto »
Hamerenana ny hasin’ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy ny vovonana « Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy ». Continuer la lecture
Antoko Repoblikanina: Manana kandida tohanana
Maniry toy ny anana ny antoko eto Madagasikara. Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Antoko Repoblikanina. Mpikambana tao amin’ny antoko Leader Fanilo nametra-pialana ireo mpanorina azy. Continuer la lecture
KANDIDA MAILHOL: Misy mikasa hamono
Tratran’ny ramatahora sahady ny kandida Mailhol noho ny fitakiany ny « Iles Eparses ». Misy mifofo ny ainy ankehitriny. « Tsy hihemotra amin’ny fampitahorana ataon’ny any ivelany aho. Andriamanitra irery ihany no hatahoraka ary tsy misy maty tsy amin’ny androny izany eto. Ampiasaina ny teratany Malagasy hanao izany fa tsy ny any ivelany no hanao mivantana izany», hoy ny kandida Mailhol laharana faha – 34.
Tsy izany teti-dratsy faratampony izany ihany anefa fa misy mikasa hisambotra ka hampiditra am-ponja koa izy. Eo ihany koa ny fisian’ireo olona voakarama mba ho « disqualifié » izy. Anisany fampitahorana azy tsy hitaky ny « Iles Eparses » ny fisamborana ireo teratany afrikana roa izany nitaky niaraka aminy ny famerenan’ny Frantsay ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara. Nomarihany fa tsy hiady amin’ny vahiny izy fa mitaky kosa ny hameranana io « Iles Eparses » io. Nanao antso avo ho an’ireo izay manao izany izy mba hampiato ireo fikasa-dratsy ireo.
Manaiky ny vahoaka
Fihaonana voalohany nataon’ny kandida Mailhol tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny teny amin’ny kianja fanaovana basikety Mahamasina ny Sabotsy 22 Sebtambra 2018 lasa teo. Naseho an’ireo olona maro be tonga teny an-toerana ireo taratasy 1.000.000 vita sonian’ireo vahoaka Malagasy momba ny tsy maintsy hamerenan’ny Frantsay ny « Iles Eparses ». Noamafisiny fa tsy maintsy miverina amin’ny Malagasy ny tany izay nalaina amin’ny tsy rariny anisan’izany ny tany lasan’ny vahiny any Atsimo.
Andro Sabata
« Tsy ny mpino apokalypsy irery ihany no ho vonjena fa ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka. Misy koa ny milaza fa mpino ao aminy ihany no mpanaraka ahy ». Iaraha mahalala fa manaja ny andro sabata ny pasitera Mailhol sy ny mpino ao aminy. Misy ny nanome tsiny azy amin’izao famoriana olona amin’ny andro sabata izao. Nisy mihitsy aza no nilaza fa nivadika izy. Noporofon’ity kandida laharana faha-34 tamin’io andro sabata io fa ireo olona maro be tonga namaly ny antsony dia tsy apokalypsy satria tsy tonga teny ireo mpino ireo noho ny andro sabata. Nampiseho ihany koa izy fa filoha ho an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny apokalypsy irery akory.
Tsy miova ny vinan’ny kandida Mailhol izay sady laharam-pahamena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Eo ny fijerena ity tsy fandriam-pahalemana mampikaikaika ny vahoaka ity, ny famerenana ny tany azon’ny vahiny na teratany Malagasy amin’ny tsy rariny ao anatin’izany ny « Iles Eparses » ary fijerena manokana ny farim-piainan’ny vahoaka amin’izao fidim-piainana miakatra izao.
Nirina R.