Sekolim-panjakana ambaratonga faharoa (CEG) miisa enina ao amin’ny distrikan’i Vakinakaratra no nanombohana tetikasa PAPAM (Projet d’Appui à l’Amélioration de la Production Agricole). Noho ny fiarahamiasan’ny GSDM, vovonana matihanina amin’ny fampiasana ny “agro-écologie”, nampidirina ho an’isan’ny taranja ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny teknika fambolena maharitra. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
AGRISUD INTERNATIONAL: Azo atao ny mamerina ny tsiron’ny tany.
Fianakaviana 5100 ao amin’ny faritra Itasy mampiasa ny teknika famerenana indray ny tsiron’ny tany. Vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, tsy mamokatra firy intsony ny tany. Hany ka mihena ny vokatra miakatra. Ho fanampiana ireo tantsaha mpamboly, nitohy ny tetikasa MAHAVOTRA ( MAmboly HAzo sy VOankazo ho antoky ny Tontolo RAhampitso ) izay iantsorohan’ny “Agrisud International”. “Miditra amin’ny tetikasa Mahavotra faharoa isika izao. Continuer la lecture
TAOM-BAOVAO MALAGASY 2018: “Ala faditra”
Lamina ara-boajanahary ny taom-baovao Malagasy. Tapa-bolana alohan’ny fetin’ny paka no tena hankalazana azy. Vondron’olona efatra samihafa samy mikarakara ity fety ity. Ny 17 sy ny 18 martsa 2018 no daty hanatanterahana izany ho an’ny mpikarakara ny “taom-baovao Malagasy, tsy manavaka finoana na fihaviana”. Continuer la lecture
MPIASAN’NY CUA : Mety tsy handray karama volana febroary
Manahy mafy ny mpiasan’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra (CUA) fa tsy handray karama volana febroary. Mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny prefektioran’ny polisy an’Antananarivo ny teti-bolan’ny CUA 2018. Continuer la lecture
BANKIM-BAROTRA : Halatra ekena
Mamelona banky vahiny isika Malagasy. Bankim-barotra no misy eto ary rah any fijerin’ny maro azy dia tsy manam-bola firy izy ireny fa mampiasa ny volan’ny tsirairay fotsiny. Ahodin’izy ireo noho izany izay vola apetraky ny mpanjifa ka ampindraminy etsy sy eroa. Continuer la lecture
CUA: “Manao fitadiavam-bola mihoa-pampana”
Nanao fanambarana ny teo anivon’ny prefektiora an’Antananarivo Renivohitra momba ny fidiram-bolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mbola ao anatin’ny teti-bolan’ny CUA 2018 ihany ny fangalana iray alina isan’andro amin’ireo fiara vaventy mivezivezy manodidina ny Tanana. Continuer la lecture
ADY AMIN’NY LEFAKOZATRA: Hiatrika fanadinana i Madagasikara
Firenena tokana hanatitra ny antontan-taratasy ahazoana “certificat de pays libre de poliomyélite” i Madagasikara. Amin’ny volana jona 2018 izao no hoentina eo anatrehan’ny vaomieram-paritra misahana ny fanomezana ny “certificat” ho an’ny famongorana ny lefakozatra eto Afrika (CRCA) ireo antontan-taratasy manamarina fa fongotra ny lefakozatra eto amintsika. Continuer la lecture
TOMPONA ORINASA MPITRANDRAKA ETO MADAGASIKARA: Olo-malaza amin’ny famotsiam-bola ?
Misy amin’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara no tsy fantatra mazava ny tena tompony. Fenitra takian’ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative) anefa ny fahazoana vaovao momba azy ireo. “Mampirongatra ny kolikoly sy ny fandosirana hetra ny tsy fahafantarana ny tompon’ny orinasa misitraka voalohany ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana”, araka ny fanazavana avy amin’ny EITI Madagasikara. Continuer la lecture
Tambajotran- tserasera facebook: Voahoso-potaka i Veloson RANDRIAMANANASY
Tsy vao izao no nisy ny fanalana baraka olona iray tamin’ny tambajotran-tserasera facebook. Nametraka fitoriana i Veloson RANDRIAMANANASY, PRMP noho ny fanosora-potaka sy fanalam-baraka natao taminy. Manantena ny asan’ny polisy mpanao famotorana sy ny fahendren’ny mpitsara izy. Continuer la lecture
BANKY MICROCRED: Niova anarana
Marika vaovao, tolotra mihatsara. Raha tokony ho 4,5 %, lasa 8 % ny zana-bola azo mandritra ny taona 2018 ho an’ireo olona manokatra kaonty tahiry amin’ity volana febroary ity. Maimaim-poana kosa raha hanokatra kaonty tsotra. Feno 10 taona ny Banky Microcred eto Madagasikara. Continuer la lecture











