Tsy nahitam-bahaolana ny 72 ora nomen’ny mpiasan’ny fananantany mivondrona ao amin’ny “syndicats des ingénieurs topographiques », « inspecteurs des domaines, contrôleurs des domaines » ary ny « assistants rédacteurs des domaines ». Continuer la lecture
Auteur lynda
MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Hatsahatra ny lalana mifehy ny sarimihetsika
Didim-panjakana no mamaritra ny fananganana sampandraharaham-panjakana sy manendry ny olona hitantanana izany fa tsy ny lalàna, araka ny lalàna 2018-037. Continuer la lecture
TETIKASA AROPA: Nampiova ny fari-piainan’ny tantsaha
Nahitam-bokatra ny tetikasa AROPA (Appui au Renforcement des Organisations Professionnelles et aux services Agricoles) tao anatin’izay folo taona niasany teny amin’ny tontolo ambanivohitra izay. Continuer la lecture
TAOMBAOVAO MALAGASY: Mitondra soa ho an’ny tokantrano sy ny firenena
Eny amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny fikambanana Malagasy Iray Hasina (MAIHA) no hankalaza ny taombaovao malagasy ny 4 sy ny 5 aprily 2019. Continuer la lecture
MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Hisantatra ny “tagnamaro,andron’ny olom-pirenena”
“Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”. Ho fanehoana ny tena fitiavan-tanindrazana azo tsapain-tanàna dia namorona ny tetikasa “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”, ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina (MCC). Continuer la lecture
SAMBO SINOA MANJONO AO TOLIARA: Sazy henjana no hiandry ny tompony
Mampitaraina ny mpanjono sy mpiandriaka madinika ao amin’ny faritr’i Toliara amin’izao fotoana ireo sambo miisa enina, avy amin’ny orin’asa MAPRO SUD (orinasa sinoa) izay mampiahiahy ny rehetra. Continuer la lecture
PRIX 2019 AFRICAN MEDIA AGENCY: Mpanao gazety Malagasy no nandrombaka ny loka
Voasafidy tao anatin’ireo mpanao gazety an-jatony avy amin’ireo firenena afrikana nandray anjara tamin’ny fifaninana “prix 2019 African Media Agency” ny mpanao gazety Malagasy avy eto amin’ny Olondia Corporation, Andriatsitonta Lynda. Continuer la lecture
FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Efa vonona hatry ny ela Rajerison Nicole Véronique
Ny 11 martsa 2019 no nanatitra ny filatsahan-ko fidiany ho solombavambahoaka ny boriborin-tany faha-dimy, Ramatoa Rajerison Nicole Véronique, filohan’ny antoko politika, Union nationale pour la refondation et la reconstruction de Madagascar (UNRRM). Continuer la lecture
VEHIVAVY MPANDRAHARAHA (GFEM): Miha matihanina hatrany
Seha-pihariana roa no nampiofanina ireo vehivavy mpandraharaha ao amin’ny fikambanana GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar) ho fampiroboroboana ny indostria momba ny sakafo (agro-industrie) any amin’ny faritra. Continuer la lecture
AKON’NY 8 MARTSA: Hafakely ny fankalazana ho an’ny AIFM Madagasikara
Samy nitady ny fomba hanamarihana ny andron’ny vehivavy, 8 martsa ireo fikambanana mikatsaka ny fampandrosoana eto Madagasikara. Ho an’ny fikambanan’ny vehivavy AIFM sampana Madagasikara dia niavaka ny nanamarihan’ny mpikambana izany, ny zoma lasa teo. Teny amin’ny “jardin de vaniala” Antsakaviro, toerana milamina sy mahate ho tia, mampanofinofy no nanatanterahina ny hetsika. “Sambany nisy seho hafakely toy izao teto Madagasikara dia ny fifandimbiasan’ny velakevitra, ny antsa tononkalo, filatroana ary ny dihy sinoa sy malagasy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny AIFM Madagasikara sady tonian-danonana, Andriamamonjy Stella. Nandray anjara tamin’ny fanentanana ara-java-kanto ny avy ao amin’ny Havatsa/Upem, Ramananarinoro Voahangy niaraka tamin’ireo ankizikely notarihiny kosa teo ao amin’ny filatroana, naneho ny kanto ihany koa ireo mpilatro matihanina niaraka tamin’i Jane Rahel sy Emy G ary nitondra karazan-dihy malagasy sy sinoa ny solontenan’ny Institut Conficius.
Velakevitra
Niompana tamin’ny fampahafantarana ny lalàna sy ny zon’ny vehivavy ny resadresaka nandritra ny lanonana izay tsy mifanalavitra amin’ny lohahevitra noraisina: Ny anjara toeran’ny vehivavy malagasy eo amin’ny fiarahamonina amin’ny maha olona azy. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny mpanolontsainan’ny « Haut-Commissariat des Droits de l’Homme » na HCDH eo anivon’ny Firenena Mikambana monina eto Madagasikara, Omer Kebiwou Kalameu. Lohahevitra noresahiny ny zon’ny vehivavy amin’ny fandraisan’anjara eo anivon’ny fiarahamonina. Manaraka izany, namelabelatra momba “ny herisetra mpahazo ny vehivavy malagasy sy ny lalàna” ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Razafiarinelina Tahiana. Nandravona ny resadresaka kosa Ramatoa Filohan’ny Filankevim-pitantanana eo anivon’ny Consortium National pour la Participation Citoyenne (CNPC) no sady koa Tale Jeneralin’ny orinasa Sofitrans, Ramarosaona Edmondine.
Hafatra
Maro ny hafatra voaray taorian’ny dinika toy ny fanamafisana ny fanentanana ny vehivavy handray andraikitra sy ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy malagasy tsy ankanavaka, ny tsy maintsy handefasana ireo zazavavy any an-tsekoly mba hananan’ny firenena malagasy vehivavy tompon’andraikitra sy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’ny ho avy, ny fanentanana amin’ny tsy hisalasalana hanatonana ny tomponandraikitra raha tojo herisetra amin’ny lafiny rehetra… Namaranana ny fankalazana ny 8 martsa 2019 ny fisarihana loka izay nahazoan’ireo tsara vintana fanomezana maro.
Lynda A.















